Sôh’son
Toy ny politika fikiraroan’i B… na i Beminahy ihany koa, no ampiharin’ny fitondrana ankehitriny, tarihan’i Andry Rajoelina, eo amin’ny fitantanam-pirenena, tato anatin’ny roa sy tapany nahateo amin’ny fitondrana azy izay. Mandeha ila. Izany hoe, misy tsy ara-dalàna na mandringa be ihany.
Iaraha-mahalala tsara ny toe-draharaha tsy mbola milamina tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, raha tsy hilaza afa-tsy izay fotsiny aloha. Nisy ny fitoriana ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana sy ny “doublon”, izay voaporofo ny fisiany. Tsy nisy valiny mazava ireny hatramin’izao. Misy fahabangana ny toeran’ny ben’ny tanàna amin’ny kaomina sasany, fa tsy hita izay fiasa ataon’ny fitondrana hamenoana izany. Dia ahoana ny momba ireny kaomina tsy misy ben’ny tanàna ireny? Mandeha ila izany fitantanam-pirenena izany. Iaraha-mahita tsara ihany koa ny tsy fananan’ny faritra sasany “lehiben”ny faritra”, izay navadika ho “governora” ny anarany izay tsy voafaritra ao anaty Lalampanorenana akory ny amin’izany, kanefa dia izorana ihany. Tsy misy filankevi-paritra, na Conseil Régional ny faritra amin’izao fotoana, izany hoe tsy misy arofanina ny zavatra ataon’ny governora. Efa rafitra mandeha ila ihany koa izany. Dia misy araka izany manana sy tsy manana ao anatin’ny fitantanana; ary toy izany ihany koa ny Antenimieran-doholona, izay tsy misy afa-tsy 18 monja, dia misy tsy manana solontena ny faritra sasany. Ao amin’ity andrim-panjakana iray ity, izay tokony hisehoan’ny fahendrena Malagasy, satria izany ataoa hoe “loholona” izany dia tena manana ny lanjany amin’ny Malagasy, dia mandeha ila satria tsy misy olona avy amin’ny antoko mpanohitra.
Tsy eo amin’ny lafiny politika ihany, fa miharihary tanteraka koa izany mandringa izany, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Ny mpanefoefo mpangoron-karena izay olom-bitsy eto amin’ny firenena, izay misy mpiray tokontany amin’ny fitondrana, dia mitombo andro aman’alina ny harenany. Etsy ankilan’izay kosa, eo ireo sarambabem-bahoaka, valalabemandry, miha-mitontongana hatrany ny fiainany ary misoka ao anaty fahantrana. Tsy miara-dalana ny fiakaran’ny fihatsaram-piainan’ny vahoaka. Miharihary ihany koa ny fanampiana amin’ny fitsinjovana ara-tsosialy ny vahoaka hatramin’ny Martsa 2020 nidirana tao anaty krizy ara-pahasalamana, ka mandraka ankehitriny. Zara raha misy ny ampahan’ny vahoaka mahazo fanampiana hatramin’izay, ary misy aza mbola misitraka izany ihany; nisy araka izany ireo niàla maina na dia sahirana mafy dia mafy aza niatrika ny krizy.
Tranga iray lehibe tsy aritra ihany koa, ny fisian’ny delestazy lava izao, izay tsy araka ny fampanantenana sy fiedinedenana tamin’ny fampielezan-kevitra, fa hoe ho vahany raha tonga eo amin’ny fitondrana. Iaraha-mahalala anefa, fa misy ireo faritra tsy mba mandalo izany, esorina ny toeram-pitsaboana izay tena mila rianaratra mandrakariva. Anisan’ny ohatra, ireo lazaina ho “quartier residentiel”. Tsy lavina, tokony ho izany tokoa ireny faritra ireny, fa nahoana no ikimpiana ny fisian’izany amin’ireo tanàna sy faritra hafa?
Maro ny tranga, fa raha fehezina, tsy maha haja ny teny filamatra ity fitondrana Rajoelina ity, izay midehaka fa rehefa manao zavatra dia ara-dalàna manara-penitra. Zary teny fe teny no ataony amitahana ny maro, porofon’izany ireo vitsivitsy notanisaina ireo. Ny hita anefa, dia tsy vonona na tsy manam-piniavana hanarina haingana ireo tranga mandringa ireo ny fitondrana.