Olana noho ny resaka tany – Nidoboka am-ponja Alain Cotisse, PDG ny Cotisse

Stefa

Nidoboka am-ponja noho ny resaka olana tamin’ny resaka fananan-tany i ALAIN COTISSE: nampidirina am-ponja vonjimaika afak’omaly alina RAKOTOARISOA Alain Eddie Nantenaina na i Alain COTISSE, Filoha Tale jeneraly na PDG ny orinasam-pitaterana COTISSE, taorian’ny fanadihadiana natao azy teny amin’ny PAC.

Raha ny fantatra dia resaka fividianana tany teny Antsofinondry Antananarivo Avaradrano no antony. Mahakasika ity raharaha dia milaza ho mahafantatra izany raharaha izany ny mpitsara Fanirisoa Ernaivo: “ mahakasika ity afera ity dia mba hisaotra ireo mpitsara nanao io dossier io satria dia HOSOKA RANORAY no nataon’io Alain io ary dossier mbola en cours na mbola mandeha sy amin’ny appel na niakatra fitsarana ambony no nahazoany grosse sy certificat de non recours ka nanaovany mutation tanin’olona. Aty amiko daholo ny dossier ary efa 3 taona no miady mafy eny amin’ny Fitsarana ireo tompon’ny tany izay saika hangalarin’ity Alain Cotisse ity fotsiny ary efa herintaona mahery no nitoriana azy io, izao vao azon’ny Fitsarana izy. Ka ianareo izay milaza, fa mampalahelo izy fa mpandraharaha malagasy kanefa gadraina, dia aoka ho fantatrareo izany fa dia nanao hosoka marobe hangalatra tanin’olona no nampigadra azy ary maro ireo olona nanaovany kolikoly avo lenta nahafahany nanao izao hosoka izao. Tany lazainy fa novidiany tamin’olona iray, nefa tamin’ny date ny acte de vente aza efa maty efa nalevina ilay olona, ary tanin’olona misy trano sy construction marobe io tadiaviny nalaina an-keriny nanaovany mutation hosoka io”, hoy ny fanambarana nataon’i Fanirisoa Ernaivo.

Momba ny raharaha olana tany ity, tokony hojerena koa ny momba ny ady eo amin’ilay orinasa karana sy ireo Malagasy mpandova eny Antanandrano Avaradrano iny ihany. Tsy tokony hisy ny tombo sy hala amin’ny olana toy izao.