Mahajanga – Lalan’ny fanondranana hazo sarobidy antsokosoko

Stefa

Azo lazaina ho lalan’ny fanondranana antsokosoko hazo sarobidy amin’izao fotoana ny any Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny.

Noho ny ezaky ny tompon’andraikitra any an-toerana, tratra ireo sambo nitondra hazo tsy ara-dalàna tany Mahajanga. Botry roa sy lakana iray nitondra hazo voamboana sy hazoala miisa 161 tsy ara-dalàna no tratran’ny ekipan’ny tontolo iainana Boeny-Betsiboka sy ny Zandarimariampirenena teny ambony ranomasina ny faran’ny herinandro teo.

Ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana any Melaky no nanome vaovao nahafantarana, fa misy hazo tsy ara-dalàna avy any Besalampy mizotra mankany Mahajanga. Nogiazana ny hazo ary nosamborina ireo olona dimy nitondra ny botry, ka atao fanadihadiana eo amin’ny sampandraharaha misahana ny ala sy ny Zandarimariampirenena. Karohina ihany koa ireo mpiray tsikombakomba.

Manamafy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, fa voararan’ny lalàna ny fitrandrahana hazo sarobidy ary mihantona ny fitrandrahana hazoala nanomboka ny taona 2019.