Ny Valosoa
Mifanindry isaky ny 26 Jona ny tsingerintaona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Tafika Malagasy. Ankalazaina miaraka isan-taona ny fetimpirenena sy ny fetin’ny foloalindahy. Manana lanja be dia be amin’ny lanonana ofisialy ny matso ataon’ny Foloalindahy.
Raha ny tantara dia teo Antanimalalaka, misy ny araben’ny fahaleovantena no toerana fanaovana ny matso tamin’ny Repoblika voalohany. Nanomboka tamin’ny 26 Jona 1972, fitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa dia tao amin’ny Kianjaben’Imahamasina hatrany no natao ny matso, afa tsy tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Zafy Albert, izay nisafidy ny tao Antanimalalaka toy ny tamin’ny Repoblika voalohany.
Hatramin’izay nisian’ny fankalazana ny fetimpirenena dia amin’ny 10 ora maraina hatrany, na amin’ny “misandratra andro” no manomboka ny lanonana, amin’io no mipoaka ny tafondro voalohany ary amin’ny fotoana ahatongavan’izay Filohampirenena eo an-toerana no mirefotra ny tafondro faha-21, na ny tafondro 21 vava, aorian’izay dia redonina ny hirampirenena.
Fa ny tamin’ny Sabotsy 26 Jona 2021 dia fankalazana sampontsampona no nisy, satria tsy nanomboka tamin’ny ”misandratra andro” intsony fa efa mihilana ny andro vao natomboka toy ireny mandevina ireny, izay azo ambara hoe efa tsy manana ilay fomba fisainana malagasy intsony ny mpitondra, fa ny mahamendy azy dia ny ho tratra hariva eo Imahamasina ahazoana milalao jiro sy afomanga. Mihevitra Ingahy Filoha fa mitovy amin’ny any amin’ny “boite de nuit“ ny eo amin’ny Kianjaben’Imahamasina, ka tsy mila miasa saina amin’izay fomba sy hasina, fa ny mibahana ao an-doha dia mila atao jenjin’ny hazavana ny vahoaka tsy ahita ny tena zavamisy marina.
Fa raha hiresaka ny matso nataon’ny foloalindahy nahitana ireo mpanao fanamiana sy mpitampiadiana, niaraka tamin’ny fitaovana raitra dia raitra dia tsy mampino ary mampandainga ny fahenoina ireo karazana herisetra sy asandahalo izay toa vao mainka mahazo vahana eto amin’ny firenena.
Raha ny fahitana ny fihetsik’ireo mpanao matso dia tsapa ho tena manana fahavononana , saingy ireo mpitantana mihitsy no tsy mahavoa satria tsy mahay mampiasa ny olona feheziny, ka aotra ny vokatra azo. Raha ny rariny sy ny hitsiny dia tokony ho tsinjaraina alefa any amin’ireo faritra mahamay ireo mpitandro filaminana fa tsy giazana fotsiny eto Antananarivo handrava ny hetsiky ny mpanohitra sy hisambotra izay miakanjo mena.
“Ho an’ny tanindrazana” ny teny filamatry ny Tafika , ”Tanindrazana sy Lalàna “ ny an’ny Zandarimariampirenena ary “Tanindrazana sy Filaminana” ny an’ny Polisimpirenena , ao foana ny teny hoe “Tanindrazana “, fa ny mampalahelo dia toa i Rajoelina no heverina ho tanindrazana ka tsy maintsy tompoina, fa tsy ilay tany navelan’ny razana ho an’ny taranaka sy ireo vahoaka malagasy tompon’ilay tany no karakaraina sy arovana, araky ny fianianana natao teo ambanin’ny fanevampirenena.
Volambahoaka mpandoa hetra no nahazoana ireo fitaovana sarobidy ary na ireo fanamiana isaloran’ireo mpitandro filaminana aza dia mbola novidiana soa amantsara tamin’ny volambahoaka ihany koa, kanefa dia tsizarizary ny fiarovana ireo vahoaka sy ny fananany , fa toa ireo mpandroba ny vahoaka indray no tsara antoka ny fitandroana ny ainy sy ny fananany.
Feno 61 taona ny niverenan’ny fahaleovantena ary feno 61 taona ihany koa ny Foloalindahy malagasy, efa taonan’ny fahamatorana tanteraka izany, kanefa dia toa vao mainka loza noho ny tamin’ny fanjanahantany ny fanompoana ireo mpitondra izay variana amin’ny renty manadala ary mahazo laka hatrany ny fanaovana ramatahora amin’ny vahoaka, toy ny nataon’ireo miaramila “ sonegaly nahazo baiko “ tamin’ny 1947.
Mila mandinitena isika Malagasy, satria toa jenjin’ny renty manadala, ka tsy mahalala intsony ny fiarovana izay tokony ho sitrahana.