Andry Tsiavalona
“Minoa ahy fa isika rehetra dia ho any an-danitra avokoa” hoy ny mpanakanto frantsay iray. Novalian’ny mpanakanto frantsay iray hafa moa izany ka nanondroany itsy voalohany ho “lava volo, fa fohy fisainana”.
Azo vakiana tsotra ny valin-kafatra satria ny iray voalohany dia te-hilaza fa na ratsy na soa ny atao eto an-tany dia azo antoka fa tsy maintsy hiditra any amin’ny Paradisa ny olona. Ilay faharoa kosa dia te-hampiseho fa ny soa atao levenam-bola ary ny ratsy atao loza miantona araka ny fahendrena Malagasy.
Azo antoka fa kristiana ny ankamaroan’ny manampahefana eto amin’ity Firenena ity ka mahalala tsara fa ny mpandainga, ny mpamono olona, ny manao vavolombelona mandainga, ny mpiandany dia tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Raha ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny anefa no dinihana dia tsy takona hafenina ny fifampiandaniana, ny fampielezana lainga, ny vono olona, ny fiampangana lainga ary ny loza indrindra dia ny tsy fijoroana amin’ny fahamarinana. Tsy misy afaka mandaha fa modely tarafin’ny vahoaka amin’izay rehetra ataony ny mpitondra izay nametrahany fitokisana kanefa ny zava-misy dia mifampiandany ny mpitondra ka na efa hitam-poko, hitam-pirenena izao aza fa nanodikodina volam-bahoaka dia hodian-tsy hita ary tsy nanaovana famotorana na teny amin’ny zandarmaria na teny amin’ny fitsarana akory ka avela hirihariha eny ihany izy ireny.
Tsy azo hadinoina ny raharaha “bonbons sucettes” sy “écrans plats” ka ny iray voalohany dia nesorina tamin’ny toerany fotsiny ary ny faharoa kosa dia mbola mijanona eo amin’ny toerany ihany mandra-kankehitriny. Torak’izany koa ny fanondranana ny volamena 73,5 kilao ka ireo mpanamory ilay fiaramanidina roalahy sy ireo mpiasan’ny ladoany ary ny sekretera jeneralin’ny ACM no any am-ponja fa ny tale jeneralin’ny orinasa mpitatitra ana-habakabaka dia mirihariha any. Ny tale jeneralin’ny ACM kosa dia nampidirina am-ponja indray alina dia navoaka nanao famindran’asa hono ary toa naverina am-ponja indray ary amin’izao fotoana izao dia tsy fantatra mazava intsony izay misy azy. Namana akaikin’ny filohan’ny Repoblika ity farany ka azo hinoana fa misy fifampiandaniana amin’ny tsy marina amin’izany. Nalaza koa ny raharaha nahavoarohirohy ny talen’ny serasera teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tsy nisy famotorana natao fa dia notendrena ho mpanolotsaina any amin’ny Masoivoho Malagasy any amin’ny renivohitr’i Lafrantsa. Nanambara ny filohan’ny Repoblika fa na Malagasy iray aza mamohy ny aina dia tsy azo ekena ary mampalahelo azy izany. Tsy nampihetsi-bolomaso azy, ary tsy nanome baiko nanaovana famotorana akory izy tamin’ny fitifirana mpianatra tany Barikadimy sy tany Toliara fa nihonona tamin’ny filazan’ny mpitandro ny filaminana fa efa mandeha ny famotorana saingy tsy mbola misy vokany izany hatramin’izao. Mifanohitra amin’izany ny tranga nisamborana ireo olona lazaina fa nikasa nanao velampandrika namonoana ny sekretram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena sy minisitra efatra. Mibaribary indray ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanajàna ny fisaraham-pahefana (separation des pouvoirs) satria olona tsy nandalo famotorana teny amin’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana akory dia nampidirina am-ponja avy hatrany. Manaporofo ireo tranga ireo fa tsy misy ny fahamarinana, fahanana lainga ny vahoaka tsy mahafantatra izay pitsopitsony momba izany resaka fitsarana izany ary lalaovina ny maha olon’ny fo ny Malagasy satria miteraka fihetseham-po eo aminy hangoraka izay olona mety hiharan’izany famonoana izany.
Mampametram-panontaniana ihany koa ny fampitam-baovao momba ny filan-kevitry ny minisitra farany teo hoe: mbola ho voafitaka indray ve ny mponina any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy any? Tetikasa miisa telo ambin’ny folo vaovao indray hono no ho tanterahina any kanefa rehefa dinihana lalina dia tsy misy zava-baovao fa ireo efa nampanantenain’ny filohan’ny Repoblika taorian’ny nandraisany ny fitondrana ihany no hamafisina. Ny adala no tsy hambakaina, Andriamanitra ao hatampon’ny loha no atahorana.
Efa mihaodihaody manodidina an’i Madagasikara ilay covid-19, variant delta kanefa dia mbola mibananaka ny habakabaka ka mampiahiahy ny fehitsiky ny fitondrana izay toa te-hamerina ny hamehana ara-pahasalamana indray hahazoana manitsakitsaka ny lalàna sy hanaovana izay tiany hatao indray. Raha izao fahantrana sy fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy izao anefa no mbola higiazana azy indray dia izay no mety sigambolo handavo ny vositra.