Andry Tsiavalona
Tsy ny Malagasy ihany no mankafia ny baolina kitra fa ny vahoaka maneran-tany mihitsy. Nanadino ny olana iainany andavanandro tao anatin’ny ora maromaro ny vahoaka Malagasy sasantsasany, fa nifantoka tamin’ny ady baolina kitra nifanandrinan’ny Anglisy sy ny Italiana tao Eraopa, sy ny ekipan’i Arzantina sy Brezila tany Amerika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Ny manahirana anefa dia mandalo ihany ireny fahafinaretan’ny maso sy ny saina ireny, fa vita izay dia mivoaka indray ilay mitambetsatra ao am-parahatoka ao ka mitamberina ny tebiteby sy adin-tsaina momba izay entina hiatrehana ny adim-piainana.
Vita ny fanadinana Cepe ary efa nivoaka ny vokatra any amin’ireo Cisco sasany, fa etsy ankilany kosa dia mitokona ny mpitsara fanadinana any amin’ny toeran-kafa noho ny tsy mbola nandraisany ny vary mangatsiaka amin’ny tambin-karama ny taona lasa. Ny zanaka Malagasy ihany no mizaka ny voka-dratsin’izany. Tamin’iny faran’ny herinandro iny ihany koa dia nanao tatitra tamin’ny vahoaka eny amin’ny Boriboritany fahadimy ny depiote Ird eny, ka nametraka ny tsy fankasitrahany ny mbola ipetrahan’ny minisitry Fitsarana eo amin’ny toerany intsony noho ny resaka tsy fitovian-kevitr’izy ireo momba ny ady tany eny Antanandrano.
Nifanindry an-dàlana tamin’izany koa ny fivorian’ny solombavambahoaka avy amin’ny ankolafin-kery samy hafa, mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra miomana amin’ny fametrahana “Fitsipaham-pitokisana” ny governemanta, ka nanome fepotoana 72 ora satria efa mihoatra ny roa ampahatelon’ny sonia voahangona hahazoana mametraka izany. Tsy mitsahatra ary mampiseho ny tsy fahombiazan’ny governemanta eo amin’ny sehatra sasany ny grevy ao amin’ny Paositra Malagasy, izay mitaky ny fialàn’ny minisitra mihitsy.
Eo koa ny grevin’ny mpandraharaha any amin’ny Anjerimanontolo Barikadimy, Toamasina. Tsara ho marihana fa mitatao eo ambony lohan’ny mpianatra Malagasy ihany koa ny mety tsy fahatanterahan’ny fanadinana bakalorea any an-toerana amin’ity taona ity. Nanaitra ny manampahefana tandrify ny sehatry ny fitaterana sy ny asa vaventy ireo mpitatitra noho ny faharatsian’ny làlam-pirenena any amin’ny Faritra maro izay miteraka fahasimban’ny fiara sy fandaniam-potoana be loatra eo amin’ny fihazoana ny toerana tian-kandehanana. Manampy trotraka izany, araka ny vaovao nampitain’ireo mpitatitra, dia manararaotra izany faharatsian’ny làlana izany ny jiolahy, ka manapitsoka sy mandroba ny entana ao anaty kaotenera baben’ny fiara vaventy. Nilaza moa ny minisitry ny Asa Vaventy, fa tsy vita indray mandeha ny fanamboarana ny làlana ka izay tratran’ny tetibolan’ny departemanta ihany no hatao aloha. Toa midika izany fa tsy nisy ny “fivoriana fandinihana tetibola” (conférence budgétaire) namaritana sy nandanjalanjana izay vola laniana amin’ny sehatra rehetra misy.
Efa nampanantena ny filohan’ny Repoblika tamin’ny velirano ho an’ny Faritra rehetra nandalovany, fa anisan’ny laharampamehany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary nampanantena angidimby folo izy entina miady amin’ny dahalo. Tsy hita izany hatramin’izao ary manjaka tanteraka ny asan-dahalo, tsy any Atsimon’ny Nosy ihany fa manerana ny Nosy mihitsy. Mifantoka amin’ny fampihorohorohana sy famoretana ny mpanao fihetsiketsehana sy mpitokona ny mpitandro filaminana, ka tsy mahavita intsony ny andraikiny voalohany dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Eo amin’ny fiatrehana ny valanaretina covid19 dia mijanona ihany ny fepetra teo aloha mandritra ny tapabolana, ary hamafisina ny fanajana izany, fa ny mampametram-panontaniana dia ny momba ny sisintany izay lazaina amin’ny fomba ofisialy fa mihidy kanefa ny habakabaka ho an’ny olona sasany izay ampisitrahana ny “antony mafonja” (motif impérieux) dia misy ny zotram-piaramanidina. Ny fampiharana ny lalàna anefa dia tsy tokony misy fanavahana fa natao ho an’ny rehetra, satria tsy misy afaka miantoka fa tsy mitondra ny tsimokaretina ny olona milaza ho manana “antony mafonja”.
Raha ireo toe-javatra ireo no dinihana dia anaovan’ny mpitondra antsirambina ny sehatra tena miantoka ny fivoarana sy fampandrosoana eto amin’ny Firenena. Hita eo amin’ny asan’ny fahefana mpananteraka ihany koa ny fifampitsabahana andraikitra ary mibaribary ny tsy fisian’ny firaisankina eo anivon’izany fahefana izany.