Andry Tsiavalona
Ny fahendren’ny Ntaolo dia lesona tokony hianaran’ny Malagasy rehetra, indrindra ireo mihevi-tena ho mpitondra ity Firenena ity ka Malagasy ray sy reny, ary mandala sy manaja ny kolontsaina sy ny soatoavina iainan’ny olom-pirenena rehetra isam-paritra. « Ny vava no tsy atao be tokoa, hono mantsy, ny mamerina azy no sarotra ». Afaka roa andro tokoa dia ho roa taona sy tapany no nitanantan’izao fitondrana izao ity Firenena ity.
Araka izany dia miandry izay tomban’ezaka momba ny zava-bitan’ny fitondrana Rajoelina Andry ny vahoaka Malagasy. Tsy hijery izay fampanantenana natao tamin’ny fampielezan-kevitra eto, fa ireo “velirano” nataon’ny filohan’ny Repoblika no hanaovana tombana izay tanteraka sy tsy tanteraka.
Niovaova teny am-pandehanana moa ny vina ka nantsoina “PEM” (Plan d’Emergence de Madagascar), “Plan Marshall”, “PGE” (Progamme Général de l’Etat), ary tsy fantatra intsony raha izay voarakitra ao amin’ireo vina ireo ihany no lazaina fa “tetikasan’ny filohan’ny Repoblika” ka nanokanana ilay vola be “Fonds souverain” ho an’ny Fiadidiana ny Repoblika. Raha izay ny zava-misy dia manontany ny rehetra raha anisan’ny hampiasana io tetibola io ny tetikasa “Tana Masoandro”, sy ireny vola amina miliara maro nomena ny Faritra ireny ary ny nanamboarana ireny fotodrafitrasa “manara-penitra” ireny. Ny antony ilazana izany dia ny filohan’ny Repoblika no nanome an’ireo governora mivantana ny vola kanefa azo antoka fa tsy nisy minisitera nisintonana tetibola (imputation budgétaire) tamin’izany.
Nitety Faritra maro ny filohan’ny Repoblika taorian’ny nandraisany ny fahefana, ka maro tahaka izany koa ny fampanantenana nataony. Tany Avaratra Atsinanan’ny Nosy, Faritra Sava, izay iaraha-mahalala fa iray amin’ireo faritra mamokatra voly fanondrana izay mampiditra vola vahiny ho an’ny Firenena. Nampanantena ny filohan’ny Repoblika tamin’izy nandalo tany fa hampiakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila iray kilao. Nifanindry an-dàlana tamin’izany ny nilazany fa hatsangana ny tranoben’ny lavanila. Iaraha-mahalala ny vidin’ity vokatra ity amin’izao fotoana izay fito alina fara-fahakeliny kanefa dia telo alina no hanombanan’ireo mpanangom-bokatra. Tsy manan-kolazaina anefa ny mpiasan’ny ministeran’ny varotra manoloana izany. Momba ny tranobe dia na fototra aza tsy mbola mirafitra. Trano fianarana na fotodrafitrasa hafa no mody havaozina dia lokoina lokom-boasary ary lazaina fa manara-penitra.
Tsy azo odian-tsy fantatra ihany koa ny vava navoakan’ny filohan’ny Repoblika momba ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola mahazatra (PTF), izay naratsiany ho tsy azo antoka sy tsy azo antenaina na rahoviana na rahoviana hitondra fampandrosoana ny Firenena. Noho izay vava izay dia azo antoka ho anton’ny tsy nanasan’ny mpamatsy vola mahazatra azy, amin’ny maha filohan’ny Repoblika, tamin’ny fivoriana tany amin’ny renivohitr’i Lafrantsa momba ny fanampiana ny firenena mahantra aty Afrika. Novatsiana amina miliara dolara tamin’izany ohatra i Soudan.
Tamin’izao fivoriana nokarakarain’ny IDA tany amin’ny renivohitr’i Côte d’Ivoire, Abidjan, izao dia tsy misy filazana ofisialy na voaasa na nanaraka ny tenin’ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, na ahoana. Ampatsiahivina fa nilaza tokoa Ravalomanana Marc, fa azo atao ny mitanintanina any amin’ireny fivoriana ireny na tsy voaasa aza, fa mety antsoin’ny mpikarakara ihany. Ny vaovao aloha dia nahazo iray faingo efatra miliara dolara i Madagasiakara. Mbola misy dingana sy fepetra maro tsy maintsy andalovana anefa vao hivoaka izany volabe izany. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola ihany koa ny IDA, ka na teo aza ny vava tsy ambina nataon-dRajoelina Andry dia nalevina ny hambom-po ary tonga nangataka fanampiana tany ihany, ka ny toe-javatra misy any Atsimo no tena nasongadina tamin’ny fangatahana. Ny mampanahy ireo mpamatsy vola anefa dia ny fitantanana tsy misy mangarahara ataon’izao fitondrana izao momba ny fanampiana azo. Tsy maintsy hanambara indray ny filohan’ny Repoblika fa hatokisan’ny mpamatsy vola matoa nomena izany volabe izany.
Raha tamin’ny 2011 no niresaka tamin’ny filoha frantsay tamin’izany Rajoelina Andry, momba ny “rocade d’Iarivo” kanefa folo taona aty aoriana vao vita izany dia mahazo manantena izany ny Malagasy fa afaka folo taona vao hisy masoandro hihiratra any Atsimo. Mamba noana loatra izao fitondrana izao ka tsy mahamasina fanidy.