Sôh’son
Miditra amin’ny andiam-panadinam-panjakana faharoa ny zaza malagasy amin’ity herinandro ity izay nanomboka ny alatsinainy teo. Mirary soa ho an’ireo mpiadina aloha ho tafita soa amin’izany atrehin’izy ireo izany. Fa etsy andanin’izany, ny diplôman’ny Bepc , dia dingana faharoa aorian’ny Cepe atrehina na lalovan’ny mpianatra. Ny tsikaritra dia aorian’io no manomboka hita soritra ny fihintsanana an-dalana, ka mihena ny isan’ny mpianatra tonga amin’ny dingana famaranana na kilasy famaranana. Vao mainka io isa mihena io mibaribary rehefa tarafina ny fiakaran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony na ny Anjerimanontolo. Sarotra ny fandrantoana fianarana ho an’ny zanaky ny sarambabem-bahoaka hatreto eto amin’ity firenena ity. Raha noezahin’ireo ray aman-dreny tany aloha fatratra ny amin’izay hampianaran-janaka, ka hanao izay hahatafita azy ho lasa ambony avara-pianarana na hivarotana tanimbary aza, dia tsy izay intsony ny zava-misy ankehitriny. Maro amin’ny ray aman-dreny no ao anaty fahasahiranana na ny tsy fifehezana fivelomana, hany ka tsy mahavita mampianatra ny zanany hatramin’ny farany, hatreny amin’ny ambaratonga ambony. Tsy mahita afitsoka ny ray aman-dreny maro amin’ny zava-misy eo amin’ny seha-pampianarana. Misy fijery mahitsy izay milaza, fa sekoly miangatra no misy eto amin’ity firenena ity. Sekoly izay manilika ny tsy afaka amin’ny fiainana. Sekoly izay manome vahana ny manan-katao.
Olana lehibe eto amin’ny firenena io. Voalohany, tsy vitan’ny famporisihana am-bava fotsiny ataon’ny fitondrana amin’ny ray aman-dreny hampidi-janaka hianatra any an-tsekoly izany, fa tena mila asa mivaingana sy tena fandavan-tena lalina. Re hatrany mantsy izany amin’ireo olon’ny fitondrana. Lasan-ko vavany fotsiny tsy izy intsony amin’izao fotoana izao, fa efa lany andro no tsy maharaka ny fivoaram-piainana misy. Io ihany koa tsy vitan’ny tolotolotra fitaovana kely isaky ny fiandohan‘ny taom-pianarana , fa miendrika tampi-maso sy mifono politika ireny ataon’ny fitondrana ireny. Tsy mahatafita mpianatra lavitra izany. Raha tiana ho tafita ny zaza Malagasy dia ny foto-piainany mihitsy no itadiavam-bahaolana. Tsy izay loatra anefa no ataon’izao fitondrana izao, fa vonjivonjy tavan’andro ihany miharo fiarovana tombontsoa. Tsy hitondrana ny zana-bahoaka lavitra sy hampivoatra ity firenena ity ireny fihetsika samihafa atao ireny. Miendrika filalaovana vahoaka fotsiny aza izany.
Mbola miendrika fiangarana ihany koa ny fitsongantsongàna ankizy na mpianatra hampiana na alefa any ivelany, ka tohanan’ny mpitondra manokana. Efa aman-taonany no nisian’izany nefa iaraha-mahita hoe aiza no misy ny firenena izao. Mila manova politika mazava ny fitondrana sy fomba fisainana vaovao amin’ny fitantanam-pirenena ary indrindra eo amin’ny seha-pampianarana.