Andry Tsiavalona
Roa taona sy tapany miampy herinandro izao no nitondran’ny Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR na IRD) ny Firenena. Nampanantena fampivoarana sy fampandrosoana ny Malagasy tao anatin’ny “velirano” izao fitondrana izao. Marobe koa ny fandikan-dalàna hitam-poko, hitam-pirenena nataon’izao fitondrana izao ary tsy teo anivon’ny fahefana mpanatanteraka ihany no nitrangan’izany, fa hatreny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna sy fahefana mpitsara ihany koa. Tsapa tamin’ny zava-nisy koa, fa rehefa nisy tranga niteraka fahafahambaraka ho an’ny mpitondra dia mitsiry ao an-tsainy hatrany ny hetsika entina manodina ny saim-bahoaka tsy hifantoka sy hanadino ny teo aloha. Tsy azo lavina ihany koa fa mora manadino ny gasy, ka rehefa hatobaka eo alohany ny tampi-maso kely dia tsy miverina ao an-tsainy intsony izay natao taminy teo aloha. Tsiahivina ireo tranga lehibe entina manaporofo izany.
Tamin’ny fifanatrehan-dRajoelina Andry sy Ravalomanana Marc tao amin’ny fahitalavitra sy onjampeom-pirenena, nialohan’ny latsabato fihodinana faha-roan’ny fifidianana filoham-pirenena dia nilaza ampahibemaso Rajoelina Andry, fa manaiky ny haha-filohan’ny mpanohitra an-dRavalomanana Marc. Arak’izany dia nanamafy izay voasoratra ao anaty Lalàmpanorenana ihany no nataony. Nifanohitra tamin’izany anefa ny tolo-dalàna nataon’ny depiote IRD iray, izay tsara ho marihana fa mpahay lalàna, nilaza fa eo anivon’ny Antenimierampirenena ary tsy maintsy depiote ny filohan’ny mpanohitra. Tsara ny mahafantatra fa tao amina distrika iray amin’ireo sivy ambinifolo ambizato (119) misy manerana ny Nosy no nahalany ny depiote iray na lazaina aza fa depioten’i Madagasikara aza no iantsoana azy. Namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ity didy tsy azo ivalozana izany lalàna nolanian’ny Antenimiera roa tonta izany. Tsara ho fantatra ihany koa fa ny andraikitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ny fanambarana fotsiny ihany na mifanaraka amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny raiketin’ilay lalàna vaovao na tsia.
Voaporofo araka izany, fa tsy manatanteraka ny andraikiny amim-pahaleovantena sy tsy araka ny feon’ny fieritreretany tanteraka ny mpanolotsaina ambony ao amin’ity andrim-panjakana ity. Nentina namiliviliana ny saim-bahoaka ny ady an-tserasera nilazana fa matiantoka ny mpanohitra raha tsy mandray io toeran’ny lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena io, satria tombontsoa be dia be no ho azony amin’izany. Angamba, mety hisy tsy hahatohitra ny mena miraviravy ihany kanefa ny tena misoratena ho tena mpanohitra dia tsy voasarik’izany. Ny tranga iray azo lazaina fa tena nanafintohina ny Malagasy dia ny raharaha momba ny volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Nosamborina sy naiditra am-ponja ireo olona izay azo inoana fa mpiasa namita iraka fotsiny ihany kanefa ny tompon’ny fiaramanidina sy ny tale jeneralin’ny ACM (izay nolazaina fa any am-ponja), azo antoka fa mahafantatra ny tompon’ny volamena sy ny atidohan’ity ketrika ity dia miriaria any. Nentina nanodinkodinana ny saim-bahoaka ihany koa ny fidiran’ny valanaretina covid-19, onja faharoa, ka niverenana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana indray. Raiki-tahotra sy nihorohoro tokoa ny vahoaka, ka tsy izay volamena navoaka antsokosoko no manahirana ny sainy fa ny loza mitatao eo an-dohany sy ny fidangan’ny vidim-piainana, satria heveriny fa tsy misy hiditra any am-paosiny sy hanafa-pahasahiranana azy na hiverina na tsia izany volamena izany.
Tato anatin’ny volana vitsivitsy dia maro ny tranga mafana manohintohina sy manozongozona ny fahatokisan’ny vahoaka izao fitondrana izao, mahita volana alohan’ny biby indray izy ireo. Ny zava-misy dia fitokonana etsy sy eroa noho ny tsy fahaloavan’ny mpitondra ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra sy ny mpandraharaha eny amin’ny ambaratonga ambony etsy andaniny ary ny tsy fanefana ny karaman’ireo mpitsabo mpanampy nanao sorona ny ainy tamin’ny fitsaboana ireo mararin’ny valanaretina. Manampy trotraka izany ny fiitaran’ny fanoherana ny mpitondra izay mahazo hery manerana ny Nosy ary efa mahazo laka any amin’ireo teratany Malagasy any ivelany ihany koa dia nivoaka aloha ny vaovao fa nisy fikasana namono ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena. Tsy mbola voaporofo na marina na tsia ity raharaha ity dia niely indray ny vaovao, fa nisy ny fikasana namono ny filohan’ny Repoblika. Araka ny efa fantatra ihany dia efa nisy ny voasambotra ka nampidirina am-ponja ka, anisan’izany ireo manamboninahitra ambony tao amin’ny tafika frantsay roalahy. Lazaina koa fa misy olona ambony voasaringotra amin’ity raharaha ity.
Ny faniriana dia tsy ho hadinoin’ny Malagasy ireo olana ara-piainana mianjady aminy isan’andro na dia eo aza izany vaovao tsy eken’ny foto-pisainany izany. Ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana no hanamarina izany koa samy miandry ny rehetra.