Sôh’son
Ity volana aogositra ity no nambara fa hahatongavan’ny vaksiny andiany faharoa amin’ny vaksiny covishield, raha toa ka efa tonga ny vaksiny hafa andiany voalohany. Izany hoe, ampiasaina eto amin’ny firenena ny karazam-baksiny samihafa atsindrona ny vahoaka. Asa raha mbola hisy karazany hafa ihany koa hafarana indray ho hampiasaina eto, indrindra tamin’ny nilazana fa afaka manao izany ny sehatra tsy miankina. Ny fantatra araka ny fampitam-baovao ofisialy, dia tsy nihoatra ny roa hetsy ireo olom-pirenena nitsindrona ny vaksiny andiany voalohany tamin’ny volana jona iny raha 250000 no nafarana. Izany hoe tsy lany ny daozim-baksiny nafarana tamin’io. Hanao ahoana ny faharisihan’ny vahoaka hitsindrona ilay vaksiny karazany faharoa ity, izay fantatra fa maherin’ny telo hetsy no tonga? Hatreto aloha izany dia tsy mbola ny antsasaky ny vahoaka malagasy no hisitraka izany, ary tsy mbola fantatra ny fotoana hahatratrarana izany.
Tsy afaka hilaza ny fitondrana fa resy lahatra amin’ny fanafarana vaksiny iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, ary nomena safidy ny vahoaka amin’izay karazam-baksiny tiany hatsindrona azy. Manaporofo izay, ny tsy nahenoina mihitsy teny fanentanana momba izany avy amin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina na ny Praiminisitra. Ireo anefa no fandrefesana izany. Azo lazaina izany, fa mandeha tsy sazoka na voatery ny fitondrana hiroso amin’ity fanaovam-baksiny ity. Ny any ivelany, anefa maro ny mpitondra mamporisika mafy mihitsy amin’ny alalan’ny fomba fanentanana isan-karazany, tonga hatramin’ny fanaovana fifaninanana fisarihana dia tolorana loka izay tsara vintana, ary amin’io loka goavana mihitsy. Misy koa aza, toy ireo firenena maromaro ao Eoropa, manery mihitsy ny vahoaka ao aminy toy ilay adihevitra be any an-toerana amin’ny resaka « pass sanitaire ». Tsy afaka hilaza velively koa anefa ny fitondrana eto amintsika, fa hoe omena fahalalahana ny vahoaka fa tany demôkratika isika. Iaraha-mahita tsara sy miaina ny fanaovan’ny fitondrana z’inona io demôkrasia io, izay mody lazainy fa tany demôkratika i Madagasikara amin’ny fisian’ireo antenimiera roa. Familivilian-dresaka atao amin’ny vahoaka fotsiny anefa izany.
Tsy tokony hadinoina, fa misy koa anefa ireo olom-pirenena tsy vonona mihitsy ary tsy resy lahatra hanao vaksiny na inona karazany tonga eto amintsika na inona. Izany hoe, raha atao indray mijery izany, dia misy karazany roa lehibe ny vahoaka manoloana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, dia ireo manao vaksiny sy ireo tsy resy lahatra amin’izany. Hoan’ireo manao vaksiny indray dia mbola misy karazany ihany koa noho ny vaksiny natsindrona azy. Hisy fiantraikany amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena ankapobeny ve izany? Ny ampitso no hamaly izany.