Helisoa
Iaraha-mahalala ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny, izay nilaza fa ho haingam-pandeha rehefa tonga hitantana ny firenena izy ireo. Efa misasaka izao ny fotoam-piasàny, vao mainka miha- milentika hatrany i Madagasikara, ka tsy hitan’ny vahoaka intsony izay lalan-kombàna. Ny mpitondra anefa mirehareha fa efa mizotra mankany amin’ny fampandrosoana hono i Madagasikara ary marobe hono ny fotodrafitr’asa manerana ny Nosy no vita. Dia hoy ilay Ragôva nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izay, fa hoe efa hita soritra eny amin’ny vahoaka Malagasy hono fa tsy sahirana intsony izy ireo, satria efa afaka manao fety. Izay hoy izy no hitarafana fa efa metimety ny fiainana.
Dia gaga ny tena hoe izany ve no fomba fisainan’ny mpitondra? izany ve no hitarafany ny fiainan’ny tokantrano Malagasy? tsy fantany fa ny Malagasy anie ka rehefa fety ny andro na tsy manambola aza dia miezaka mampifaly ny ankohonany foana amin’izay misy kely eo ampelatanany e! Betsaka ny fotodrafitr’asa vita hoy ianareo, nefa ve ireny mifanaraka amin’ny zavatra takian’ny vahoaka entinareo? Kianja manarapenitra ve amin’izao fotoan-tsarotra izao ilain’ny Malagasy? ny dobo filomanosana sy kianja ve ilaina any amin’ny faritra misy kere sy tsy misy rano ho sotroina? mifanaraka amin’ny filan’ny mponina ve ny fotodrafitr’asa aorinareo? ny sekoly manara-penitra hireharehana, nefa ny mpampianatra tsy manarapenitra akory, satria na ny karamany sy ny tombontsoa kely tokony ho azony aza tsy aloan’ny fanjakàna. Rariny ireto farany raha tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy. Any amin’ny faritra manerana ny Nosy, eny fa na ny eto Antananarivo renivohitra aza dia efa betsaka ireo sekoly simba sy rava, nefa tsy misy fanamboarana. Tsy aleo ve namboarina ireny mba ho sahaza ny zaza Malagasy rehetra?
Ny fahaiza-mitantana ry fanjakàna milaza fa mamimbahoaka dia ny fahaizana mandamina, fantarina ao anatin’izany ny tena laharam-pahamehana aloha, fa tsy ny rendrarendra tsara jeren’ny maso fotsiny. Ny sosialim-bahoaka aloha izao no tena maika satria tafiditra lalina ao anaty fahasahiranana ny 90 % ny vahoaka Malagasy. Jerena ao anatin’izany ny lafiny fanabeazana, fitsaboana izay mampiteny ny moana mihintsy, satria fahafatesana no miandry raha vao tsy manambola rehefa miditra hopitaly. Eo ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tena manahirana, nefa tsy hita izay vahaolana matotra haroson’ny fanjakàna. Ny filohampirenena Andry Rajoelina moa araka ny fampanantenana poak’aty fanaony isaky ny mitafa amin’ny vahoaka Malagasy dia nanambara fa ao anatin’ny andro vitsy dia hisy ny vahaolana hampidinana ny vidin’ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. Hanome baiko ny minisitra tompon’andraikitra isan-tsokajiny aho hoy izy sns…. Aiza anefa izany izao nefa efa ho 4 andro no nanambaràna izany. Tsy misy zavatra kely akory mba tsinjo hitarafana izany fampanantenana poak’aty izany.
Araka ny voalaza tetsy ambony moa dia mila tokony ho jerena manokana ny lafiny fanabeazana. Andro vitsy sisa izao dia ho tonga indray ny fidiran’ny mpianatra. Efa manomboka mikaikaika ireo ray amandreny amin’izao, satria miakatra avokoa ny vidin’ny fitaovam-pianarana rehetra, eo ihany koa ny fiakaran’ny vola aloa amin’ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana, izay tsy maintsy tonga dia efaina, fa tsy afaka angatahana andro. Misy mihintsy no manambara fa tsy afaka mampiditra ny zanany mianatra intsony ireo ray amandreny, satria tsy takatry ny fahefa-mividy intsony ny vola ilaina ahafahany mampianatra ny zanany. Hany ka raha misy 4 ny zaza tokony hianatra dia lasa 2 sisa, eny mety tsy hisy hiditra an-tsekoly mihintsy aza.
Izay no ilazàna hoe mba hain’ity fitondràna ity ve ny mijery ny tena laharam-pahamehana ilain’ny vahoaka Malagasy ankehitriny e? sa ao anaty fiara mainty fitaratra be ianareo, ka tsy mahalala ny fahasahiranana mahazo ny Malagasy maro an’isa ankehitriny izay miaina ao anaty fahantrana lalina intsony?