Mbola mitetika hangala-bato Rajoelina sy Ntsay

Ny Valosoa

Tsy nahataitra ny fanapahan-kevitra noraisin’Ingahy Filoha Rajoelina nitazona amin’ny toerany ny Praminisitra ankehitriny Ntsay Christian, efa nampoizina io matoa nandritra ny fandaharana intelo miantoana nitondrana hafatra momba ny fepetra amin’ny koronaviriosy dia Ingahy Praminisitra hatrany no nisolovaika ny akalana, satria tsy sahy niatrika Ingahy Filoha, ka vao niseho fiahitalavitra sy niteny tamin’ny onjampeo izy dia ny fanamafisana ny toeran’ny Praminisitra no tena zavadehibe tamin’ny fanambarana nataony, fa ny ankoatr’izay dia hevi-dravina avokoa.
Ilay Praminisitra koa efa nahalala, fa tsy sahy hanongotra azy Ingahy Filoha, ka dia niandry vava latsaka fotsiny no nataony.

Mampihomehy araka ny fitenin-jatovo ny zava-niseho satria, ny Lehiben’ny Governemanta tsy nesorina tamin’ny toerany, ilay Filoha anefa miteny hoe tsy mahomby ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra, izay notendreny niaraka tamin’ny Praiminisitra, ny niafarany dia nambara fa natsahatra amin’ny asany avokoa ireo minisitra. Tsy mbola nisy ohatr’izany hatramin’ny 60 taona teto amintsika.

Didim-panjakana no nanendry ireo ministra ireo ary tokony ho izay koa no mampitsahatra azy amin’ny asany, fa tsy fanambarana tsotra an-taratasy iarahan’ny Filoha sy ny Praiministra toy ireny natao ny alarobia lasa teo ireny. Ao hatrany ilay tsy fanarahana na tsy firaharahiana lalàna ataon’ity fitondrana Rajoelina ity, porofon’izany io fanambarana nataon’izy ireo io, izay nampitsahatra ireo ministra amin’ny asany.

Voizina mafy ery fa ny fianakaviambe iraisampirenena hono no nanendry an’Ingahy Ntsay Christian ho Praminisitra, ny tena marina anefa dia Ingahy Filoha no tsy mahafoy azy, satria nanampy azy tamin’ny hosoka sy halabato tamin’ny fifidiananana rehetra nifandimby nanomboka ny taona 2018 ity lehiben’ny governemanta ity sy ny ministry ny atitany amin’izao fotoana, izay malaza ratsy ihany koa amin’ny resaka “écran plat”, ankoatra ny resaka “doublons”. Dia mbola izay fangalaram-bato, familiviliana ny safidim-bahoaka izay, no ho ketrehany hatao amin’ny fifidiananana ho avy eo, na ho amin’ny taona 2023 io, na mialohan’izany, satria raha ny zava-misy amin’izao fotoana, efa hazo boboka amoron-tevana ity fitondrana Rajoelina ity, ka rivotra kely fotsiny dia hampidaraboka azy. Efa toa mitsoka eto amintsika tokoa ankehitriny ny “Wind of Change”, na ny rivotry ny fanovana, araka ny hiran’ny tarika malaza Scorpios izay ary avy ao anatiny, izy samy izy ao ihany no iantombohan’izany rivotra izany.
Ankilany, ity Praiminisitra ity no tena havanana amin’ny resaka fifidianana tsy madio.

Tsy maintsy ho vizana ihany anefa Ingahy Rajoelina, satria araky ny nambaran’ny Filoha Marc Ravalomanana tetsy amin’ny Magro Behoririka ny talata teo, nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faharoan’ny Rmdm, dia ho hentitra ny fianakaviambe iraisampirenena amin’ny fisorohana ny hosoka amin’ny fifidianana, efa samy mailo ihany koa ny olom-pirenena, tsy manaiky ny familiviliana ny safidim-bahoaka, ka ho hitantsika eo ny ho tohiny,…