Andry Tsiavalona
Misafotofoto tanteraka ny raharaham-pirenena eto Madagasikara eo amin’ny sehatra rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy eo amin’ny sehatra politika ihany fa hatramin’ny fitantanam-bolam-bahoaka, no mikorontana, izay porofoin’ny fanenjehan’ny minisitry ny fitantanam-bola vaovao ny minisitra teo aloha. Iaraha-mahalala anefa, fa efa sekretera jeneraly tao amin’ity minisitera ity ny minisitra vaovao io. Tonga eo amin’ny faratampony ny fifanoherana matoa nesoriny teo amin’ny toerany ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana izay heverina fa fototry ny kolikoly novakian-dRamatoa minisitra bantsilana. Ny fanontaniana dia avy ao amin’ity sampandraharaha ity no mivoaka ny vola rehetra amin’ny alàlan’ny “bon de caisse”, ny karaman’ny mpiasam-panjakana rehetra, ka anisan’izany ireo mpampianatra mitsara fanadinana manerana ny Nosy, koa nahoana no hoe efa lasa any Antsiranana ny vola tambin-karaman’izy ireo? Ny mahavariana dia ny firotsahan’ny kaominina sy ny “governora” amin’ny fandoavana ny vary mangatsiaka eo amin’ny tambin-karama tsy voaefa ho an’ireo mpitsara fanadinana ireto.
Eo amin’ny sehatry ny fanabeazam-pirenena koa dia misy ny olana eo amin’ny filazan’ny minisitera, fa tsy misy vola aloan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fisoratana anarana any amin’ireo sekolim-panjakana, kanefa dia tsy izany ny zava-misy, fa ny mifanohitra amin’izany, ka mimenomenona ireo manan-janaka mianatra any amin’ireny sekoly ireny. Raha ny vaovao miparitaka ihany koa dia misy ireo talen-tsekoly mamoaka vava hoe aza alefa mianatra ny zanaka raha tsy manam-bola. Araka izany dia tsy misy lalàna matotra izany mifehy ity resaka vola aloa ity, fa samy manao izay saim-pantany ny fari-piadidiana ny fanabeazam-pirenena, na ny talen-tsekoly. Misy lalàna manan-kery koa ve milaza fa araka ny fifanarahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny sekoly ny famaritana na misy na tsy misy vola aloa eo am-pisoratana anarana?
Mitàna ny sain’ny mponina eto an-drenivohitra hatrany ny fifanenjehana misy eo amin’ny mpanolotsaina lany avy amin’ny antoko mpanohitra sy ny ben’ny tanàna. Toy izay misy eo amin’ny fitondrana foibe sy ny antoko mpanohitra eto amin’ny Firenena ny zava-misy eo amin’ny mpitantana ny renivohitra sy ny mpanohitra, ka izay manam-pahefana dia tsy mijery afa tsy izay mety aminy ary manao izay tiany atao. Anisan’ny fahavalon’ny ben’ny tanàna araka ny fampielezan-kevitra nataony ny tondradrano sy ny fanotorana tany ireo farihy ivarinan’ny riaka entin’ny ranon’orana. Iaraha-mahita anefa, fa miverina indray amin’izao fotoana izao ny fanotorana naaton’ny fitantanana ny tanàna teo aloha. Mbola manaporofo izany, fa tsy miraharaha sady tsy mihaino izay fanapahan-kevitry ny filankevitry ny tanàna ny mpanatanteraka. Taratry ny fitondrana foibe izany, satria ny fahefana mpanao lalàna izay mpanara-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka dia manaiky izay tolo-dalàna apetrak’ity farany, tsy misy fanoherana na tolokevitra mifanaraka amin’ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka. Hitam-poko, hitam-pirenena avy amin’ny tranga rehetra, fa vitan’izao fitondrana izao tokoa ny tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona.
Hiantso ireo mpandraharaha ho avy hampiasa vola eto Madagasikara no nandehanan’ny filohan’ny Repoblika tany an-drenivohitr’i Frantsa hono. Ny zava-doza anefa dia ny lafiny miiba eo amin’ny sehatra rehetra misy eto Madagasikara no nasongadiny nandritra ny kabariny, ankoatry ny fisian’ny “langouste”, sy ny fanasongadinana ny sakafo mampiavaka an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fahamoràn’ny “main d’oeuvre” sy ny fahaverezan’asa ary ny tsy fisian’ny saranga antenantenany (classe moyenne) intsony, ka noheveriny fa anisan’ny lafiny hisarika ireo mpanambola hampiasa ny volany eto ireo. Mety ho marina izany kanefa kosa tsy nisy fitsinjovana ny vahoaka Malagasy ireo, satria manome vahana ny mpampiasa vola raha ho avy tokoa izy ireo.
Mitodika aty Madagasikara ihany koa ny tranga tany Frantsa rehefa nanao hetsika fanoherana ny “diaspora” mpanohitra ny mpomba ny fitondrana tao anatin’ny delegasiona avy aty Madagasikara, izay nitonon-tena ho “diaspora” ihany koa, kanefa dia tao ny minisitra sy depiote. Nosavain’ny polisy frantsay koa ny filohan’ny “diaspora” mpanohitra Rmdm, Fanirisoa, fa nolazain’ny masoivoho any an-toerana fa nitondra baomba ho ao amin’ny toerana nihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamina mpandraharaha. Tsy mbola nisy nipika kosa ny fihaonan’ny filoha frantsay sy ny filohan’ny Repoblika’i Madagasikara, ka manantena ny rehetra fa ho manga ny lanitra na dia nisy ireo teratany frantsay voasaringotra tamin’ny resaka Apollo-21 aza. Teto an-toerana kosa dia natao vaksiny ny Praiminisitra ka nanaitra ny mpanara-baovao izany, satria ny an’ny governemanta dia toa ny Cvo ihany dia ampy raha ny nolazain’ny filohan’ny Repoblika. Mahalasa saina ihany mantsy satria matoa tafiditra any Frantsa ireo marobe ao anaty delegasiona miaraka amin’ny filoha dia tsy maintsy efa vita vaksiny. Izay, angamba, no antony nanapahan’ny Praiminisitra hevitra nanao vaksiny. Ilay vazaha, minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, koa dia azo antoka fa efa natao vaksiny satria avy any Frantsa no nafarana. Mbola maizina ny amin’ny valalabe mandry ny zava-misy marina, kanefa tsy maintsy ho resin’ny mazava ny maizina.