Radafy
Samy niandry ny olom-pirenena maro ny amin’ny ventin’ny vokatra tamin’ny dian-dRajoelina, sy ireo olo-marobe niara-dia taminy nandaniana volabe nankany Frantsa farany teo. Tsy hita anefa izany hatreto ary zary tsy nisy resaka firy avy amin’ny eo anivon’ny fitondrana. Volabe tsy toko tsy forohana no lany, ny vokatra tsy hita misongadina, fa resaka politika no novoizina mafy dia ny amin’ny hahafahan’ireo malagasy any Frantsa afaka mandray anjara amin’ny fifidianana. Tsy mitondra n’inona n’inona amin’ny fahantram-bahoaka amin’izao fotoana izao izany.
Hatreto, tsy naharenesana mpampiasa vola vahiny, nivory tao Paris, tonga na farafaharatsiny efa an-dalana hankaty Madagasikara hanàla ny vahoaka malagasy anaty fahantrana, fa mijanona ho resaka fotsiny aloha ny zavatra ren-tany. Ny resaka tsy manova n’inona n’inona amin’ny fiainam-bahoaka fa asa mivaingana no andrasana.
Miady irery ny vahoaka malagasy amin’ny fanarenany ny fiainany nopotehin’ny krizy ara-pahasalamana. Miady irery, ho an’izay afaka manao izany, ireo orinasa malagasy maro. Ireo nofinganina sy nadaraboka, noho ny resaka politika maloto, ka tsy afaka tsy afa-nisokatra mihitsy, tsy nisy fivakian’ny fitondrana loha amin’izany. Maro anefa ny olom-pirenena tsy an’asa sy very asa nanomboka tamin’ny taona 2009 no mankaty, sy nanampy trotraka ny tamin’ny taon-dasa nampihibohana ny firenena. Tsy mahamaika an-dRajoelina sy ireo mpiara-dia aminy izany, fa ilaozana mankany Frantsa “mamantsika” resaka politika izay toy ny mikendry ny fifidianana sahady amin’ny 2023. Izany ve no ilain’ny vahoaka Malagasy maika amin’izao fotoana izao?
Tsy misy filaminany hatreto ny seha-pihariana eto amin’ny firenena, fa misedra olana amin’ny ankapobeny. Voa mafy hatrany amin’ireo Malagasy madinika mpitrandraka harena ankibon’ny tany. Miada-pamindra, fa tsy araka ny anarana nisalorany, ary zary toa tsy rototra ny fitondrana manoloana izany manjo ny vahoaka izany. Tsy hita izay finiavana mazava sy hentitra ary politika mahomby hivoahana ao anatin’izao krizy izao. Ny fototry ny olana dia ny tsy fahaizana mifototra sy mijery lalina ny tena olana sy ny mety hahasoa sy hahatsara amin’ny fiainan’ny Malagasy.