Nangonin’i Niaina
Misy olana amin’izao fotoana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, noho ny fitsaban’ny ministeran’ny serasera amin’ny asa tokony ho sahanin’ny holafitry ny mpanao gazety. Fantaro ary, inona no atao hoe: holafitry ny mpanao gazety (OJM) izany?
Fandaminana anatiny andrindrana ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany ny holafitra. Miantoka sy manara-maso ny fanajana ny etika sy deôntôlôjian’ny asa. Miaro sady mitaky hatrany ny isian’ny fahalalahana eo amin’ny fanatanterahana ny asa, ho fitandroana ny fahalalahana maneho hevitra, sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Miaro ny tombontsoan’ny mpanao gazety, ary iarahana miasa amin’ny tompon’ny orinasa izany, ho fampivelarana sy fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety, mba hisitrahan’ny malagasy vaovao marolafy (pluralisme).
Ny OJM dia najoro ho solontenan’ny mpanao gazety eo anatrehan’ireo andrimpanjakana samihafa misy eto amin’ny firenena, na ireo sampandraharaha sy masoivoho iraisam-pirenena manana fifandraisana amin’i Madagasikara (Interlocuteur). Iantohan’ny Lalampanorenana ny code de la communication ny DUDH ny fahalalahana (liberté d’expression; d’opinion; de presse) ary manana andraikitra lehibe ho fampanajana sy fiarovana izany fahalalahana izany ny OJM. FANDAMINANA sy FANDRINDRANA NY RAHARAHA ANATINY EO AMIN’NY SAMY MPANAO GAZETY, izay mpikambana avy hatrany raha vao miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Ny OJM dia TSY AZON’NY FAHEFANA IVELANY (Ministera, Fanjakana. Mpandraharaha…) ITSABAHANA IO FANDAMINANA NY RAFITRA IFAMPITONDRANA AO ANATINY io, FA MAMPISARA-BAZANA ny SAMY MPANAO GAZETY.
Inona no zava-misy ankehitriny ? Ny tsy fanekena ny kandidà tokana noho ny lalàna 2020-006 nikendrena HANILIHANA izay mpanao gazety manana zo hirotsaka hofidiana sy hifidy izay hisolo tena azy EKEN’NY REHETRA TSY HITSABATSABAHAN’NY MINISTERA.
Tsy mety ny commission des cartes navadika ho commission electorale. Io dia tsy CENI, Commission efa niandany io. Ny article 55 bis nouveau, dia manilika ny mpanao gazety te ho kandida, satria any amin’ny faritra izay tsy misy mpanao gazety afa tsy ny mpanao gazetim-panjakana dia mazava ho azy, fa tsy hanana ireo izay tsy kandidam-panjakana. Io kandidam-panjakana io aza efa noterena ary tsy nahafantatra akory ireo mpiray lisitra aminy, fa efa nahavita ny firotsahana izay vao nangonina sy navoaka tsikelikely ny lisitra.
Ny mpanao gazety ao amin’ny ORTM no voakasiky ny OJM fa tsy ny minisitera. Tahaka ny amin’ny privée, izay ny mpanao gazety no voakasika fa tsy ny patron de presse, na ny tompon’ny orinasan-gazety, satria ny mpanao gazety no mpikambana mivantana fa tsy ny holafitra.
Porofo izany fa mitsabaka amin’ny raharahan’ny OJM ny minisitera ankehitriny. Tsy misy olona ivelan’ny ao anatin’ny holafitra afaka mitsabaka amin’ny raharahan’ny holafitra.
Ny zava-misy amin’izao fotoana dia manaporofo, fa miditra lalina amin’ny raharahan’ny holafitra ny minisitera anaovany ny politika malotony. Mampisara-bazana ny mpanao gazety no tanjon’ny ministera amin’io.
Ny holafitra tian’ny ministera hajoro eo dia tsy holafitra apetraky ny minisitera hiaro ny asany, fa sady manapotika ny mpanao gazety no mampisaraka.
Hoy ny ao amin’ny ministera, tsy azo ovana intsony ny lalàna. Deuxième session ordinaire ny parlement izao, ka azo atao ny manao proposition d’amendements hatolotra ny antenimiera roa tonta.
Ny lalàna dia azo ovana sy amboarina araka ny procedure ahafahana manao izany rehefa hita fa tsy mety.