Ny Valosoa
Feno 63 taona tamin’ny alakamisy 14 Oktobra teo ny nijoroan’ny Repoblika voalohany. Mifandray amin’ ny tantaran’izao tontolo izao ny tantaran’ny firenentsika, satria isika dia zanatany frantsay ary nanampy an-dry zareo frantsay tamin’ny ady lehibe roa (1914-1918) sy (1939-1945).
Nony vita ny ady lehibe faharoa(1939-1945 ) dia nifanaraka ireo firenen-dehibe , ka nanangana ny Firenena Mikambana (ONU) , ny tanjona dia ny isian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana amin’izay , satria niteraka famoizana aina be dia be sy faharavana ara-toekarena ny ady. Fa ankoatr’izay dia mitsinjo ny fiainan’ny rehetra ny Firenena Mikambana , izay no antony nampijoroana ireo sampana samihafa toy ny : “ Unicef, Unesco, Oms, Bit, Fnuap, Pnud, Pam, sns… ), fa ambonin’ireo , nisy ny fifanarahana teo amin’ireo firenen-dehibe nanangana ny Firenena Mikambana, ka izay fifanarahana izay dia niompana tamin’ny fanomezana ny fahaleovantena ho an’ireo firenena voazanaka. Nahatsapa avy hatrany izany ireo tia tanindrazana malagasy nonina tany Frantsa, ka tsy niandry ela fa nanangana avy hatrany ny MDRM na Mouvement Democratique pour la Renovation Malgache, ny tanjon’ny MDRM dia ny hitaky amimpilaminana ny fahaleovantena, saingy nandamoka izany satria ny kajin’ny frantsay dia ny famotsorana ny zanatany afaka 15 taona, kendrena ho tamin’ny 1960.
Ny volana Septambra 1958 dia nampanao fitsapan-kevibahoaka tany amin’ireo zanatany frantsay taty amin’ny kaontinanta Afrikana ny fitondrana frantsay, fanontaniana mitovy no novaliana tamin’ny ‘’ eny’’ na ‘’tsia ‘’, izay manao hoe : ‘’ Ekenao ve ny Repoblika anatin’ny Firaisambe frantay ?’’ Ny 28 Setambra 1958 no natao ny fitsapankevi-bahoaka ho antsika malagasy ka nandresy ny ‘’eny’’, dia nambara ho rentany ho rendanitra tao amin’ny ‘’Amphithéâtre ‘’ ny Lycée Galieni Andohalo, ny fijoroan’ny Repoblika malagasy ny 14 Oktobra 1958 , teo amin’ny Kianjan’Andohalo no naorina ny tsangambaton’ny Repoblika.
Ny dikan’ny hoe fitondrana repoblikana dia fitondrana tsy entin’ny mpanjaka, fa fitondrana entin’ny olomboafidy, nyrepoblika dia manana lalampanorenana, hirampirenena, sainampirenena, teny filamatra ary fitombokasem-panjakana.
Efa repoblika fahaefatra isika izao, ny hirampirenentsika hatramin’ny repoblika voalohany dia: ‘’ Ry tanindrazanay malala o ‘’, ny sainampirenena koa dia tsy niova fa ‘’Fotsy, Mena, Maintso ‘’ hatrany, ny fomba fiantsoana sy ny teny filamatra dia niova hatrany,’’ Repoblika Malagasy’’ ny voalohany ‘’Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosona’’ no teny filamatra,’’ Repoblika Demokratika Malagasy ‘’ ny repoblika faharoa ary ‘’Tanindrazana ,Tolompiavotana, Fahafahana’’ no teny filamatra , nanomboka tamin’ny repoblika fahatelo ka hatramin’izao fahaefatra izao dia ‘’Repoblikan’i Madagasikara ‘’ no fiantsoana ny repoblika saingy ny teny filamatra no miova lava, ‘’ Tanindrazana, Fahamarinana, Fahafahana ‘’ aloha, nikitika lalampanorenana ny Amiraly Ratsiraka tamin’ny 1998 dia niverina tamin’ny teny filamatra tamin’ny Repoblika voalohany indray’’ Tanindrazana, Fahafahana ,Fandrosoana ‘’, tsikaritra fa tao anatin’ny teny filamatra foana ny fahafahana nandritra ny repoblika telo voalohany, fa nony tonga ny repoblika fahaefatra dia notsoahina tao ilay fahafahana, izay izany no mahatonga ny fanampenam-bava ny mpanao gazety ahazo vahana ary nosoloina ny hoe ‘’fitiavana’’ ilay fahafahana, ny mampiomehy dia toa tsy ilay fitiavana avy amin’Andriamanitra no ampanjakaina eto amin’ny firenena f’ilay fitiavana fahita any amin’ny ‘’boite de nuit’’, tsy mahagaga izany satria mpikosoka kapila sy mpampandihy ny filoha.
Fa ny tena fotokevi-dehibe ijoroan’ny fitondrana repoblikana dia ny fifidianana manaraka ny fomba demokratika, isika rehetra dia samy mahatsapa fa ny fifidianana rehetra taorian’ny taona 2018 dia fifidianana feno hosoka, mazava ny fanambarana nataon’Andriamatoa Rakotonarivo Thierry mikasika ny fisian’ny ‘’doublons’’ an-tapitrisa, ny lisi-pifidianana tsy ara-dalàna tamin’ny fifidianana Depiote volana Mey 2019 sy Ben’ny tanàna ary Mpanolotsainan’ny tanàna tamin’ny faran’ny taona 2019. Ary amin’ny manaraka eo indray vao miha ho loza satria na ny ‘’Ceni ‘’na ny ‘’ Hcc’’, indrindra fa ny minisitry ny atitany dia samy olon-dRajoelina hiringiriny avokoa.
Raha ny tokony ho izy tokony handroso mankany amin’ny tsaratsara kokoa isika rehefa miova repoblika , saingy indrisy fa toa vao mainka miha-ratsy sahala amin’ny amboa nosasana, satria ilay fifidianana fototry ny maha-Repoblika ny Repoblika no feno hosoka , ny mpitondra rahateo tsy vonon-kanova satria ny hosoka no nahazoany fahefana.