Andry Tsiavalona
Tena maizina tanteraka mihitsy ny tian’izao fitondrana izao atao ihatrehana izao fahasahiranana mianjady amin’ny Firenena, sy fahantrana mandifotra ny vahoaka Malagasy izao. Tsy mitehan-tany mihitsy ny tongotry ny filohan’ny Repoblika, satria tsy mahita na mody fanina na minia mamilivily ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny tranga mamohehitra etsy sy eroa. Mahagaga ary tsy azo eritreretina raha tsy mahafantatra na tsy mahazo vaovao momba ireo fitokonana eo anivon’ny sehatra isan-karazany eto amin’ny Firenena izy.
Mitokona ny mpiasa sy mpandraharaha eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso ary ny mpampianatra etsy amin’ny EN3 Ampefiloha, noho ny karama amam-bolana tsy voaray. Manatevin-daharana ny mpitokona ny mpianatra, satria te-hianatra kanefa dia baomba mandatsa-dranomaso no tambin’izany. Nanokatra ny taom-pianarana ofisialy tany Fianarantsoa ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony. Nampisehoan’ny mpampianatra sy ny Sendikan’ny Mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra (Seces) ny tsy fankasitrahany ny fitantanan’ izao fitondrana izao ny toe-draharaha eny amin’ny Oniversite manerana ny Nosy.
Tany koa no nanambara ny minisitry ny fampianarana ambony, fa efa mikarakara ny fandoavana izany karama izany ny tomponandraikitra isan-tokony. Raha ny fijery azy dia toa tsy mahalala izay pitsompitsony sy dingana tsy maintsy andalovana rehefa mikarakara izany karama izany eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana ny minisitra, satria miandry misy fitokonana vao mikoropaka. Etsy andaniny anefa dia manao vava tsy ambina ny Praimisitra, toy ireny tsy tomponandraikitra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ireny, ka nanambara fa tsy azo terena handoa karama amin’ny alàlan’ny grevy ny fitondrana.
Efa fantatra fa mbola mitohy mitokona ihany koa ny ao amin’ny fandanjana fiara vaventy ary dia miitatra eny amin’ny mpiasan’ny fadin-tseranana noho ny fanodinkodinam-bola ao amin’ity sampan-draharaha ity. Manaitra ihany koa ny ao amin’ny orinasa mpanao siramamy ao Bricaville. Tsy voaloa ny karamana roa volana ho an’ireo mpanolotsaina sy mpiara-miasa amin’ireo solombavambahoaka (CT, assistants parlémentaires).
Eo anatrehan’izany rehetra izany dia mifanohitra amin’ny zava-misy ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa hanangana hotely kintana roa ka hatramin’ny kintana dimy (hotels 2 à 5 étoiles) ao Ranomafana Ifanadiana sy hanangana “centre thermal” lehibe ao an-toerana ihany koa. Toamasina hitovy amin’i Miami, Ambatondrazaka hanahaka an’i Parisy ary ny ao Ranomafana izany ho toa ny any Vichy ao Frantsa ao.
Iaraha-mahalala fa misy alan-javaboahary ao Ranomafana ary efa misy foibe famokarana rianaratra (centrale hydroéléctrique) iray ao Namorona, ka araka ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika dia hanorenana iray hafa vaovao indray. Efa miroso, hono, ny asa fampandrosoana ary hisarika mpizahatany maro ny fotodrafitrasa vao hatsangana ao amin’ity faritra ity. Ny olana dia tsy misy ny vola andoavana ny karaman’ireo sampan-draharaha samy hafa voatanisa etsy ambony ireo kanefa dia nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa toa efa eo am-pelatanany ny vola hoentina hananganana ireo fotodrafitrasa goavana ireo ary hisarika mpizahatany maro, kanefa tsy mbola fantatra na afaka firy taona na firy taona vao hivadika asa mivaingana ity nofinofy ity. Tsy manana paikady matotra entina miaro ny valan-javaboahary arovana izao fitondrana izao, ka tsy mahagaga raha may ny ao Ankarafantsika ary potiky ny fitrandrahana tsy ara-dalàna vato sarobidy ny any amin’ny toeran-kafa.
Sahiran-tsaina ny mponina, toy ny any Farafangana noho ny haintrano namadika ho lavenona ny trano aman-jatony maro ary toa zary toe-javatra iainan’ny mponina eto an-drenivohitra ny haintrano etsy sy eroa. Tsy mbola hita izay tohin’ny fanondranana volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo dia tratra tetsy Ivato indray ny vatosoa mitentina manodidina ny roa miliara ariary. Manalasala toa vozon’akoho izao fitondrana izao, satria raha ny fanambarana ataony dia toa manambola tsy hay laniana izy kanefa raha ny fitokonana sy tranga etsy sy eroa dia mampibaribary, fa banky rompotra izy. Toy ilay sahobakaka nampibontsina ny tenany ary nihevitra hampitovy ny habeny amin’ny omby ny filohan’ny Repoblika, kanjo nihoatry ny fetra ny lanjan’ny rivotra nanabontsonany tena ka nipoaka sy niparitaka ny vatany iray manontolo.