Asan-gazety fanadihadiana lalina na investigation – Namoaka lalàna manohintohina izany i ministra Veta

Ny Valosoa

Lany tsy nisy mpifaninana ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety Ramatoa Rasoloarison Monica nitarika ny lisitra nahitana anarana 92, izay azo antoka fa olona samy tsy mifankahalala akory na tsy mahafantatra, na tsy fantatr’ilay filoha mihitsy, kanefa dia niray lisitra, satria ny ministera no nandrafitra ny lisitra. Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, no nisy izany Holafitra nahitana mpikambana zato latsaka kely izany, Ramatoa ministry ny serasera na i Ministra Veta no mahavita izany.

Vao « voafidy » Ramatoa Monica, ny nambarany voalohany dia ny filazana, fa tsy ara-dalàna hono ny maha-mpikambana ao amin’ny Ceni an’i Marc Antoine, satria nofidian’ny Holafitra notarihan’ny Filoha Rakotonirina Gerard hono, fa izay tendren’ny holafitra vaovao tarihany hono no ara-dalàna, tonga dia mazava fa izay no iraka nampanaovina azy dia ny hanendry mpikambana Ceni saribakolin’ny fitondrana lany tamin’ny ‘’ doublon’’, mpikambana azo antoka fa azo ho ampiasaina indray hanao hosoka amin’ny fifidianana manaraka eo.

Fa tsy izay ihany no ho andrasan’ilay minisitra Veta amin’i Ramatoa Rasoloarison Monica, fa ny hanome vahana ireo mpanao gazety mpanaty ran-kena sy handetika ireo mpanao gazety sahy mijoro amin’ny fahamarinana. Ny tena mampalahelo dia maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny holafitra vaovao avy any amin’ny faritra no mihevitra, fa hahazoam-bola ilay toerana, tsy tsapan’ ireo vao nolaniana ireo, fa tsy misy tombontsoa ara-bola anie na ara-pitaovana azon’ny birao teo aloha, fa ny fitiavana ny asa fanaovangazety, sy ny tsy fanekena ny herisetra amin’ny fampahalalam-baovao no nampijoro ireo mikambana notarihan’ ny Filoha Rakotonirina Gérard.

Ny mpitondra mandalo fa ny asa fanaovangazety mitohy eny foana, ny zava-miseho ankehitriny dia ahatsapana fa faran’izay ratsy toerana Ramatoa Minisitra miadidy ny serasera ary tsy izay ihany, f’ilay fitondrana ianteherany mihitsy no efa hazo amoron-tevana, ny dikan’izany, Ramatoa Rasoloarison Monica soavalin’ny minisitra efa mitsingilahila dia ahiana hiara-hilentika amin’ny fitondrana any amin’ny hantsana mangitsokitsoka. Fantatra izao fa ny herinandro voalohany amin’ny volana novambra izao no hamerina ny vola nomen’ny ministra Lalatiana azy ireo nitsaboana ny filohany Anny, ireo vehivavy mpanao gazety, na Femme Journaliste de Madagascar, vola mitentina 4 tapitrisa Ar izy io.

Raha ny fahafantarana azy anefa dia tsy volan-dramatoa madiiodio io vola io, fa volan’ny ministera. Ankoatra izany, voatohintohina amin’izao fotoana ny asa fanaovan-gazety, indrindra ny momba ny fanaovana fanadihadiana lalina na investigation, namoaka lalàna sadasada momba izany i ministra Veta sy ny ekipany, fa tsy maintsy maka alalana hono ireo mpanao gazety rehetra hanao izany fanadihadiana lalina izany, indrindra ireo mpanao gazety vahiny. Ny fahitalavitra vahiny goavana eran-tany ve dia ho azony amin’izany raha tonga eto tokoa toy ny CNN, ny BBC, ny Aljazeera, ny France24,… Eo isika mahita ny ho fampiharana izany lalàna sadasada izany.