Andry Tsiavalona
Tato anatin’ny volana vitsivitsy dia nivoaka tany ivelany foana ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, kanefa nanenjehana ny filoha Rajaonarimampianina Hery izany, fony izy teo amin’ny fitondrana, ka nahatonga ilay fitenenana “Hery sy Voahangy mitsangatsangana”. Efa aty aoriana vao fantatra fa nitondra soa sy fampandrosoana ny Firenena izany, satria niverina ny fitokisan’ny mpiara- miombonantoka, ka nahatratra dimy faingo roa isanjato (5,2%) ny fitombon’ny harinkarena faobe (PIB) ny taona 2008. Tamin’ireo fivoahan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina in-telo miantoana dia nanaovana sonia findramam-bola dimapolo ambizato miliara ariary, hametrahana fitaovam-pitaterana eny habakabaka eny, “téléphérique”, izay tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny renivohitra, na ho an’ny faritra rehetra kanefa dia samy handoa trosa ny vahoaka 25 tapitrisa eto Madagasikara.
Taorian’io dia tany Etazonia ny filohan’ny Repoblika niatrika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana dia tany Washington nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) dia nahazo roa ambi-telopolo sy telonjato tapitrisa dolara (DTS), izay tsy nila fandresen-dahatra, satria anjara volan’i Madagasikara ao amin’ity Tahirimbola ity ihany io.
Tamin’ny herinandro lasa teo dia tany Glasgow, Royaume Uni, ny delegasiona goavana notarihan’ny filohan’ny Repoblika niatrika ny Cop26 momba ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany. Vola zato tapitrisa dolara no nangatahana tamin’izany. Iaraha-mahita ny toetrandro iainana eto Madagasikara, izay misy fiantraikany eo amin’ny fambolena, satria dia maina tanteraka ny tanimbary noho ny tsy fisian’ny orana. Heverina fa manampy trotraka ny haintany ny doro tanety sy ny fandorana ireo alan-javaboary arovana (aire protégée) manerana ny Nosy. Tsy eto Madagasikara ihany anefa no misy doro-tanety ity, fa saika manerana izao tontolo izao. Nilaza ny ministry ny Tontolo Iainana fa namboly hazo enina tapitrisa fototra tamin’ity taona ity kanefa tsy misy tombana (bilan) momba izany, taiza ny toerana, hoviana no nanaovana ny fambolena. Mizara roa moa ity minisitera ity, ka tomponandraikitra amin’ny fisakanana ny fanimbana ny ala (déforestation) ny vaovao, ka amin’ny fandaniana ny tetibola lasitra 2022 mandritra ny fivorian’ny Antenimieram-pirenana izao, angamba, vao hanana ny tetibolany manokana izy.Tsapa araka izany, fa mandadilady any amin’ireo mpiara-miobonantoka (PTF) ny fitondrana na dia namoaka vava fa tsy handroso mihitsy i Madagasikara na amin’ny 2060 aza raha ireo no ianteherana.
Tsapan’ny olompirenena Malagasy mpanaraka ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra, fa tsy mangarahara ny fitantanana ireo fanampiana azo niatrehana ny valanaretina covid-19, ary namarinin’ny Banky Iraisampirenena izany, nangatahiny ny fandaniana rehetra amin’ny antsipirihany. Araka izany dia nanala baraka ny fitondrana ny fanambaran’ity mpamatsy vola iraisam-pirenena ity, fa hisy fanofanana momba ny fanamafisana ny fahaizamanao (renforcement de capacité) sy ny famindrana fahalalana (transfert de compétence) ho an’ny teknisiana gasy. Manaporofo izany, fa na manao fanahiniana manao tari-drano an-kilahila, na tsy manana fahaizamanao mihitsy ny mpikirakira ara-bola eto amin’ity Firenena ity.
Raha ny zava-misy dia ny iray voalohany no marina, satria ny dimampolo isan-jaton’ny fanampiana azo, arivo miliara ariary, dia tsy fantatra mazava ny nampiasana azy kanefa tsy nomena ny karaman’ny loholona teo aloha, tsy mahazo ny volany ireo mpandraharaha nanao làlana, tsy mandray karama ny mpiasa sy mpandraharaha eny amin’ny Anjerimanontolo, sns,… Raha ho azo indray ny zato tapitrisa dolara hoentina miady amin’ny fiantraika ratsin’ny fiovan’ny toetrandro dia asa raha hisy fitantanana mangarahara indray.