Ny Valosoa
Ny fiasan’ny fitsarana no ahafahana mandrefy ny maha tan-dalàna na tsia ny firenena iray, satria rafitra goavana iankinan’ny aimpirenena ny fitsarana.
Vao niverina ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960 dia natolotry ny fitondrana frantsay ho an’ny fitondrana malagasy ny Lapan’ny fitsarana etsy Anosy, ka ny Filoha Philibert Tsiranana notronin’ny Ministry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasempanjakana Ramangasoavina Alfred no nandray izany Lapa izany, satria vonona hametraka ny tany tan-dalàna ny mpitondra tamin’izany.
Ny Lapan’ny fitsarana rehetra dia ahitana ny soratra toy izao: “Ity Lapa ity dia natao ikarohana ny fahamarinana, ho fialofan’ny malemy sy ho andrin’ny firenena”. Ireo mpitsara sy mpisolo vava ary mpiraki-draharaha sy izay rehetra manana andraikitra any amin’ny fitsarana dia samy mahita io soratra io isaky ny miditra sy mivoaka any amin’ny Lapan’ny fitsarana.
Tsikaritra fa nanomboka tamin’ny taona 2009 dia zary gaboraraka ny fomba fiasan’ny fitsarana, satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) mihitsy no nanondrana tamin’ny 17 Martsa 2009 nankatoa ny lalàna notefitefen’ Ingahy Ratsirahonana Norbert, nametraka an’Ingahy Filoha Rajoelina amin’izao fotoana izao, ho Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. 10 taona taty aoriana dia mbola ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorena no namoaka didy nampandresy an’Ingahy Rajoelina ihany, maro ny fitoriana kanefa dia notsotsorina tamin’ny hoe” azo raisina fa tsy mitombina”, ny filoha lefitry ny Ceni Rakotonarivo Thierry dia namoaka ny marina momba ny hosoka tao amin’ny lisi-pifidianana izay nahitana ‘’doublon’’ maherin’ny 1200000 kanefa dia izy sahy nilaza ny marina indray no nasaina nametra-pialana, f’ireo rehetra niray tsikombakomba tamin’ny fanaovan-dratsy tsy nisy voakitika tamin’ny toerany.
Matoa mbola mahazo vahana ny fanosihosena ny lalàna eny anivon’ny fitsarana, dia satria ny “Hcc” mihitsy no nanome leson-dratsy tamin’ny famoahana ny didim-pitsarana nahatonga an’Ingahy Rajoelina ho Filoha ankehitriny.
Zatra ny lalandririnina ny mpitondra niantehitra tamin’ny hala-bato, ka mbola mihevitra fa isan’andro ny fetin’ny ankizy, dia nanararaotra toy ny banga mihomehy alina ny fitondrana tamin’ny fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny “Hcc” sy ny “Ceni”, saingy sendra ny taolana , satria ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony dia nijoro nanome hasina ny fitsarana sy ny lanjan’ny fifidianana, ka ilay mpitsara nofidin’izy ireo ho mpikambana ao amin’ny “Ceni”, Andriamatoa Randrianarivonantoanina Tiana Ifanomezantsoa, izay tsy neken’Ingahy Filoha, no mbola nofidian’ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony hatrany ho solontenan’izy ireo ao amin’ny “Ceni”, dia ho hita eo raha mbola ho sahy handà eo indray Ingahy Rajoelina.
Mendri-piderana ny fahasahiana nananan’ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony, satria noporofoin’ireo mpitsara ambony ireo fa saropiaro amin’ny hasin’ny fitsarana izy ireo ary manaja tanteraka ny soratra hitan’izy ireo isan’andro eny amin’ny Lapan’ny fitsarana , izay manamafy fa ny Lapan’ny Fitsarana dia natao ikarohana ny marina sy fialofan’ny malemy ary ho andrimpirenena, ary izay indrindra ny maha mpitsara efa zokiny sy ampy traikefa azy ireo, koa rariny raha ny zoky no manome ohatra tsara ho an’ireo zandry.
Efa voafidy ihany koa ny Filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Andriamatoa Andriantsihorisoa Mbitanarivo, antenaina fa tsy handraraka ny ilo mby andoha ny mpitantana vaovao ao amin’ny “SMM”, fa hanana fahasahiana hijoro toy ireo filoha efa nitantana ny “SMM” toa an’i Fanirisoa Ernaivo sy Clment Jaona.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana f’ireo rehetra nandray fitenenana tamin’ny fihaonana tetsy amin’ ny “Hotel Carlton Hotel” Ampefiloha tamin’ny Sabotsy 13 Novambra 2021 teo dia samy namaky bantsilana ny tsy fahombiazan’ny fitsarana eto amintsika ary samy nanao antso, ny amin’ny tokony hamerenana ny firenena ho tan-dalàna, tsy niandry izany antso izany ireo mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana Tampony f’efa lasa aloha ny azy ireo ny valin-kafatra ary inoana fa hanao tohivakana amin’izay ny fahasahiana hijoro hiaro ny fahamarinana eto amin’ny firenena.