Andry Tsiavalona
Tsy mety tapitra mihitsy ny fanondranana harem-pirenena “antsokosoko” tato anatin’ny taona vitsivitsy. Ny manahirana dia tsy mety fantatra ary tsy voasambotra mihitsy ihany koa ny atidoha fa ireo mpamita iraka hatrany no mandalo fitsarana sy miditra am-ponja. Tsy vitan’izany fa tsy azo adinoina ihany koa ireo fahafaham-baraka samihafa toy ny fanodinkodinam-bolam-bahoaka, ny kolikoly sy ny resaka “doublons” ary ny resaka “bonbons sucettes” ary “écrans plats”. Tsy misy tohiny ireny rehetra ireny ary miriorio any daholo ireo tomponandraikitra voalohany tamin’ireny raharaha ireny. Toa adinon’ny olompirenena maro ihany koa ireny toe-draharaha ireny, satria variana miady amin’ny fiainana ny rehetra, ka tsy afaka mifantoka amin’izany.
Efa manomboka mivondrona sy manambatra hery ny mpanohitra sady mandresy lahatra ny Malagasy handray andraikitra manoloana ny fitantanana tsy mandeha amin’ny laoniny ataon’ny mpitondra. Manararaotra izany toa tsy fiatrehana sy tsy fanoherana mivantana izay ataon’ny mpitondra izany ny governoran’Analamanga, ka nilaza fa aloan’ny vahoaka (non crédibles) ny mpanohitra. Tsy tokony ho adinoin’ity governora ity fa raha mahatsapa tena fa mamim-bahoaka, tsy toy ny mpanohitra izy dia tsy nanaiky notendrena ho amin’ity toerana ity fa nitaky ho nofidiana ho lehiben’ny Faritra araka ny Lalàmpanorenana. Tsy adinon’ny mpanara-baovao fa notendrena ho governora izy nentina nanambitamby azy rehefa tsy lany ho Filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra. Olona vitsy aza no nifidy tsy naha-lany ity manampahefana sady taviny no volony ity, ka raha izany no ireo mpifidy eto Analamanga rehetra dia asa izay niseho.
Tokony tsy ho hadinon’ny governoran’Analamanga ihany koa fa tsy itokisan’ny mpiara-miombon’antoka (PTF) ny mpitondra amin’izao fotoana izao, satria takian’izy ireo ny tatitra momba ny nampiasana ny vola nomeny nentina niatrehana ny valanaretina covid-19. Arak’izany, tsy afaka hanome lesona ny governora tsy ara-dalàna, sy tsy ao anatin’ny lalampanorenana.
Ankoatra izany, nitranga ny voalohan’ity herinandro ity indray ny fanondranana “antsokosoko” lavanila fito taonina ka voasambotra ireo olona roa nanao ny iraka, izay voalaza fa teratany malagasy ny iray ary teratany karana ny faharoa. Tsy mba aman-jato kilao, fa amina taonina maro ka azo antoka fa tsy maintsy manampahefana ao ambony ao ny atidoha satria raha mpandraharaha madinika dia tsy ho sahy na nanam-bola nentina nanangonana sy nikarakara izany. Ambonin’izany dia tsy nanam-bola aman-jatony tapitrisa ariary izay, angamba, saika hanaovana kolikoly hanjambana ny mason’izay mety hanakatsakana. Firaisana tsikombakomba ve no tsy mbola nahatratrarana ireo atidoha nikotrika ireo fanondranana ireo, sa tena fanehoana ny fahalemen’ny fitondrana misy eto amin’ity Nosy ity mihitsy.
Rehefa atao ny fandalinana ny zava-misy iainana eo amin’itony sehatra itony dia ny làlan-tsaina voalohany no mitombona sy azo antoka. Manamafy izany fomba fahitàna ny toe-javatra izany ny fanomezana asa (fanamboaran-dàlana, fananganana fotodrafitrasa sns,…) ireo olona na ao an-dapa na mpiray antoko na mpianakavin’ny manampahefana ka rehefa tsy ao anatin’ireo vondron’olona ireo dia tsy mahazo ny karamany taona maro aty aorian’ny nahavitàny ny asa nampiandraiketina azy. Tsy azo lavina ihany koa fa tsy sahin’ny mpitondra ny mampisambotra ireny atidoha ireny, satria tsy hampatahotra ireto farany ny hamaky bantsilana ny tsikombakomba sy tetikady rehetra entina hanambakana sy hampahantrana ny vahoaka tsy mandady harona hoentina handemena ny sainy. Mpandray anjara amin’ny tantara daholo ny olompirenena tsirairay, saingy misy ireo tena maherisetra manao tsindry hazo lena sy manampatra fahefana, misy ny maka tsy taitra miandry izay fotoana mety hahombiazana ary eo ireo tena malemy tsy manan-kery, tsy afa-manohatra ka miandry ny rariny. Tsy mitsara ny tantara fa izay nataon’ny tena ihany no manenjika ny tena araka ilay fitenenana hoe “enjehin’ny ratsy natao”.