Tolotanana ho an’ny any Farafangana – Tonga maro ny olona namaly ny antson’ny RMDM

Helisoa

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ny hetsika tolotanana, ho an’ireo traboina rava fananana noho ny haintrano mahatsiravina nitranga tany Farafangana faritra Atsimo Atsinanana, izay nokarakarain’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM). Tonga maro ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ny RMDM, teo ireo mpikatroka manerana ny faritra maro teto Madagasikara na alavitra aza toy ny tany Toamasina, Toliara , Morondava, Mahajanga, sns…

Tonga maro koa ny olona maro malala-tanana, olon-tsotra maro tokoa, nitondra izay voatsirambin’ny tanany. Tolotanana ho an’ny any Farafangana, izay fanombohana ihany no natao tao amin’ny kianjan’ny Finoana, fa ho avy hanala ny fahasahiranana ho an’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara ny RMDM araka ny fanambaràna nataon’ny filoha lefitry ny RMDM Faritany Toliara ny Pasitera Tsarahame Edouard.

Fitaovana maro toy ny vola, fitafiana, lamba firakotra ary fitaovana kojakoja an-dakozia nonatolotry ny mpikambana RMDM sy ny olon-tsotra maro. Nisaotra ireto farany ny filoha lefitry ny RMDM ao amin’ny faritany Fianarantsoa sady avy any Farafangana Tabera Randriamanantsoa noho ny fanomezana izay nataon’ny mpiaramitolona ho an’ireo traboina any an-toerana. Na dia antoko mpanohitra aza dia hita hoy izy ny fitsinjovana ny mpiray tanindrazana. Mbola mitohy hatrany ny fandraisana ireo fanomezana, ka ao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM ao Bel’Air Ampandrana no andraisana izany.