Tsy fialofan’ny malemy ny Fitsarana Malagasy

Ny Valosoa

“Ity Lapa ity dia ho fikarohana ny fahamarinana sy ho fialofan’ny malemy ary ho andrimpirenena”. Io no soratra hita avy hatrany raha vao miditra ny Lapan’ny Fitsarana, tsy miala mihitsy io soratra io mandavantaona, ankoatr’izany dia tazana koa ny sary famantarana ny fitsarana dia sarin’ny lelamizana roa mifandanja tsy mitanila, misy dikany lehibe koa io sary io.

NY “HCC” SY NY “CENI”

Ireny niaraha-nahita ireny ny fomba fiasan’io fitsarana avo io tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2018, fa dia fitsarana mitafy henatra, miaro anjambany ny mpangala-bato, hany ka lasa fiteny vazivazy ilay nambaran’Ingahy Rakotoarisoa Jean Eric manao hoe “azo raisina fa tsy mitombina”, marihina fa nahavita fianianana ara-dalàna ny “Hcc” teo aloha, fa ny “Hcc” ankehitriny koa vao mainka loza, satria dia olon’ny fitondrana roanjato isanjato, tsy misy azo antenaina amin’izay fahadiovan’ny fifidianana, fa dia efa fomba fanao ilay fianianana, ireo mpikambana ao amin’ny “Ceni” vaovao rahateo koa dia olon’ny fitondrana arivo isanjato, satria ny vadin-dRamatoa Minisitra no filoha vaovaon’ny “Ceni”, iny eo ihany fa ny tena mampisitri-belona dia io filoha io ilay mpikambana notendren’Ingahy Filohan’ny Repoblika, mazava izany fa dia miady ny tadin-dokanga ho an’ny roa tonta, fa dia mbola ho loza noho ny teo aloha ny hoso-pifidianana.

NY BIANCO SY NY PAC

Najoro ireo rafitra ireo iadiana amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, hatramin’izao anefa dia malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona ireto izy, satria toa minia mangina tsy miteny manoloana ny karazan-kolikoly izay tsy takona afenina fa mibaribary sahala amin’ny tafika andrefan-tanàna, ny raharaha “bonbons sucettes” sy “écrans plats”, ny mikasika ireo fiara be dia be novidina nentina niady tamin’ny aretina koronaviriosy tamin’ny taona 2020, tsy hita nanjavonana tamin’ny 2021, kanefa dia odian’ireto rafitra ireto fanina fotsiny ireo voalaza ireo, satria olon’ny fitondrana no voasaringotra, nesorina tamin’ny toerany fotsiny ireo minisitra tompon’ny ketrika dia samy vita ny raharaha, tsy nisy tohiny, tsy namerimbola toy ireo mpampanofa fahafinaretana.

Fa ny raharahampitsarana mbola vao mafana dia ny fitsarana an’i Dr Ramasomanana Ravo Nambinina, izay vao tamin’ny Alatsinainy 06 Desambra 2021 teo no nivoaka ny didimpitsarana, nohafahana noho ny fisalasalana ity dokotera ity, kanefa dia mbola takiana onitra 1 tapitrisa ariary indray.

Raha tsiahivina dia ny Dr Ramasomanana Ravo Nambinina, no sahy nanambara ampahibemaso ny fisian’ny kolikoly tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, tsy norahirahian’ny “Bianco” sy ny “Pac” ny fisian’ny kolikoly tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, fa ny fitsarana an’ilay dokotera sahy nijoro indray no nataon’ny fitsarana dia navadika ny resaka, ka nolazaina fa manalabaraka ny fitondrana hono ny Dr Ramasomanana Ravo Nambinina, dia iny izy notsaraina iny, kanefa ilay fitondrana efa hatramin’ny nijoroany no efa afa-baraka foana.

RAHARAHA APOLLO 21

Ny azo antoka aloha dia tsy ho eken’ny fitsarana malagasy ny fangatahan’ny Me Razafinjatovo Willy, izay nitaky ny tokony handefasana mivantana amin’ny Rnm sy Tvm ny fizotran’ny fitsarana ny raharaha “Apollo 21”, ny nanaitra tamin’ity raharaha ity dia ny nampidirana teny Antanimora an’ilay mpanankanto Sareraka iray andro mialoha ny fotoampitsarana, kanefa hatramin’izay navela nilamina tany amin’izay nisy azy, tsy izay ihany fa 13 ny isan’ireo olona nafindra teny Antanimora, ka asa na fifanandrifian-javatra na niniana natao hanamasinana ilay tarehimarika.

Ny azo antoka dia tsy ho vita ao anatin’ny andro vitsivitsy ny fitsarana, noho izany dia hody isan-kariva any Antanimora izy 13 mandra-pivoakan’ny didimpitsarana. Ho hita eo na hisy didy raikitra hivoaka avy hatrany na hahemotra aorian’ny fialantsasatry ny fitsarana ny famoahana didy, izay midika hoe manao Krismasy sy taombaovao any am-ponja izany ireto voarohirohy.

DIA INONA IZANY NY FITSARANA MALAGASY ?

Arak’ilay soratra hita eny amin’ny Lapan’ny fitsarana sy ny sarin’ny mizana tsy mitanila tazana eny koa, dia ny fitsarana tokoa no tokony ho lapan’ny fahamarinana, saingy indrisy fa amin’izao fitondrana Rajoelina izao dia lasa rafitra mpiaro ny mpanao ratsy sy mpambotry ny firenena sisa ilay fitsarana, ary ireo biraompanjakana iasan’ireo tompon’andraikitra dia lasa zohy fieren’ny jiolahy.

Tokony hianiana amin’ny baiboly toy ny nataon’ny Filoha Ravalomanana fony izy nandray fahefana ireo rehetra izay miasa amin’ny fitsarana, satria efa tsy nahitana vokatra ny endrimpianianana toy ny nataon’ny “Hcc”, ny “Ceni”, ny “Bianco”, ny “Pac”, sns… satria izy rehetra ireo dia toa Ingahy Filoha ankehitriny no nanaovan’izy ireo fianianana, satria dia arovany fatratra ilay Filoha sy ireo olony na dia hita izao aza fa meloka, ary ireo tsy mitovy hevitra amin’Ingahy Filoha tsy atao mahita ny rariny fa avilvily araka ny tokony ho izy ny zotram-pitsarana.

Noho ireo zava-nitranga ireo dia tokony hovaina na hesorina ilay soratra eny amin’ny Lapan’ny fitsarana, toy izany koa ilay sarin’ny mizana satria mandatsa ny vahoaka malagasy.