Mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny olom-pirenena – Tsy hihemotra amin’ny diabe ho eny amin’ny 13 mey rahampitso

Niaina

Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy misy farany, ny olana samy hafa izay iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny toy ny tsy fahampian’ny rano ihany koa, nampiaka-peo ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa, fa tsy zaka intsony ny fahasahiranana mahazo ny mponina. Hidina an-dalambe ny Mpiaro ny Zon’ ny Mpanjifa sy ny Olompirenena tsy ankanavaka, noho izany rahampitso Zoma 10 desambra 2021, izay andro iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ihany koa. Noho ny tsy fisian’ ny kianjan’ny demokrasia ahafahana maneho hevitra, dia nangataka ny kianjan’ny 13 mey Analakely izy ireo.

Marihina fa efa nampahafantarina ny sehatra iraisam-pirenena izao hetsika izao, izay naterina teny Andraharo misy ny Biraon’ ny Firenena Mikambana eto amintsika ny taratasy mikasika izany. Raha ny vaovao farany dia tsy nanome alalana izao hetsika izao ny Préfet de Police Antananarivo. Na izany na tsy izany, nanambara ireo mpikarakara fa tsy hihemotra, fa hanatanteraka io Diabe io ihany rahampitso, satria zon’ny olompirenena hoy izy ireo ny maneho hevitra am-pilaminana sy ankalalahana. Zon’ny olompirenena ny hiaina tsy amin’ahiahy, fa hisitraka ireo filana fototra amin’ny fiainana andavanandro toy ny rano, vidim-piainana zakan’ny fahefa-mividy, ka ny vondrom-bahoakam-paritra sy ny fitondrana no hanome sy handamina izany araka ny tokony ho izy. Tsy voahaja anefa izany amin’izao fotoana. Marihina fa loha-hevitry ny andro iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona amin’ity taona ity ny hoe:”Hahena ny tsy fitoviana, mba hampiroboroboana ny zon’ny olompirenena”. Hanatanteraka izao Diabe momba ny zon’olombelona izao rahampitso: ireo Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa, ireo avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena ary ny olompirenena tsy ankanavaka.