TSY GASY TAPANY NO ILAINA

Hay “gasy tapany” no betsaka amin’iretsy manodidina
An’ity ilay raikalahy izay toa manao lohan’angidina,
Hany ka tsy mahagaga raha toy izao ny firenena.
Very indray ka hotadiavina izany fahaleovantena!

Olon-tsy miteny gasy, izany no natao minisitra,
Ka tsy mahataitra intsony raha vao mainka isika gisitra.
Tsy afaka hifampiresaka amin’ireo ety ambany,
Ka dia inona no andrasana amin’ny olona toy izany?

Olon-tsy miteny gasy, izany ve dia azo inoana
Fa hitondra antsika gasy ho amin’ny lalam-pandrosoana?
Tenin-dreniny aza tsy hainy sy tsy tiany mba hianarana.
(Raha izany, isika gasy koa tsy ataony lohalaharana!)

Olon-tsy miteny gasy, tsisy mba matoky izany,
Fa matetika izy ireny olon’ny mpanjanatany.
Raha izay fahoriam-bahoaka dia inoana fa tsy tsapany,
F’izy anie tsy niaina teto, izy anie ka “gasy tapany”!

Koa tsy iretsy “gasy tapany”, niaina ela tany ampita,
No hanafaka ny gasy sy hihambo ho mahavita.
Be ny “gasy tena katraka”, mahafehy ny tenindrazana,
Ireo no inoy hitondra antsika ho amin’ny lalam-pahombiazana.

TSIMIMALO (12-12-21)