Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina – Voafidy fanindroany ny ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina

Isambilo

Voafidy fanindroany ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny IPAM, na ny Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina indray, ny ben’ny tanànan’Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano, Rado Ramparaoelina. Ny IPAM dia misy mpikambana 38 ary ahitana kaominina miisa 33 ao anatiny, amin’ireo kaominina manodidina ny renivohitra. Izy ity dia zanaky ny tetikasa GUGA: Grand Urbanisme de Grand Antananarivo, miandraikitra ny fanatsarana ny fampidiran-ketra amin’ireo kaominina ireo, ny lafiny fitaterana, ny fidiovana sy ny fanadiovana. Mandrafitra ny PUD: Plan d’Urbanisme de Detail, na drafi-panajariana ny tany. Efa nitantana ity IPAM ity nandritra ny 2 taona ny ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina ary mbola hitarika an’izany mandritra ny 2 taona ho avy indray. Mbola nametrahan’ireo ben’ny tanàna amin’ny kaominina manodidina an’Antananarivo ny fitokisany izy. Efa notsidihan’ny mpanatanteraka ao amin’ny IPAM avokoa ireo kaominina mpikambana, nakana ny hetahetan’izy ireo ary izany dia havadika ho tetikasa, ka ny IPAM no mitady ny famatsiam-bola, izany hoe ity rafitra ity dia karazana mpanamora ny fifandraisana eo amin’ireo kaominina mpikambana sy ny mpamatsy vola.

Misy karazany 3 ny lalam-bolany hoy ny Filoha Rado Ramparaoelina, misy ny famatsiam-bola 3 tapitrisa Euro avy amin’ny AFD, sampan-draharaha Frantsay misahana ny fampandrosoana, hatramin’ny taona 2023. Mamatsy vola azy koa ny fitondrana, manome 1 hetsy Ariary isan-taona, ho an’ireo kaominina mpikambana. Ary ny lalam-bola faha-3 dia latsakembok’ireo mpikambana : Ariary 5 isan’olona mandrafitra ny kaominina. Ny IPAM amin’izao fotoana dia fikambanana na Association miasa mivantana amin’ny vahoaka, na d’utilité publique, ary izany dia lany nandritra ny filankevitry ny ministra. Asa fohy ezaky ny fikambanana ny fanomezana ordinatera sy imprimante ary ny antsoina hoe consommable ho an’ireo kaominina mpikambana. Momba ny fahazoana ilay 3 tapitrisa Euro avy amin’ny AFD, mbola misy ny olana amin’ny kaonty amin’ny bankin’ny fikambanana, noho ny fepetra mavesatra apetraky ny ministeran’ny fitantanam-bola momba izany, nefa tsy maintsy ho vitaina izany, hoy ny filohan’ny IPAM. Efa tafajoro koa ny fananganana ny birao maharitra.

Fa momba ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano iadidiany, be ny zava-bita tamin’ity taona 2021 ity, hoy ity ben’ny tanàna voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara (TIM) ity. Teo amin’ny lafiny fanabeazana, nahavita efitrano sekoly vaovao miisa 5 ny kaominina. Teo ny fahavitan’ny lalana mirefy 2,6 km, fiaraha-miasa amin’ny AFD Frantsay. Tamin’ny volana oktobra 2021, voalohany nahavelon-tena ny kaominina, satria nahavita nandoa ny karaman’ny mpiasa, voasahan’ny kaominina madiodio ny fandaniana ao amin’ny fiadidiana ny tanàna. 3 hetsy Ar amin’izao fotoana ny karama farany ambany ao amin’ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano, ezahana hampakarina izany amin’ny taona ho avy hoy ity ben’ny tanàna ity. Nahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana ihany koa ny kaominina, izay natokana amin’ny fampandehanan-draharaha. Ny hetra tambatra na impôts synthetiques dia tsy fanampiana na subvention hoy izy, fa vola miditra amin’ny kaominina nalain’ny sampan-draharahan’ny hetra dia tsinjaraina avy eo, ka 49,5% ny anjaran’ny kaominina.

Tamin’ny fotoana nisian’ny rafitra Faritany hoy ihany ity olom-boafidy ity, nahatratra 60% izany, nefa amin’izao fotoana tsy misy Faritany izao, mbola 49,5% ihany, mihena noho izany hoy ihany izy ny vola miditra amin’ny kaominina. Zavatra hatao fohy ezaka ao amin’ny kaominina Ampitatafika kosa, ny fanohizana ny fanamboaran-dalana, ny fametrahana ireo jiro an-dalambe, fanaovana tetezana fohy, fampitomboana ny fitaovana hoenti-miasa. Hahazo fiara vaovao sy moto ny kaominina amin’ny taona ho avy 2022.