Vehivavy TIM Analamanga – Nanamafy firaisankina, niara-nizara ny mamy tamin-dRavalo

Ny Valosoa

Nomarihana ny alahady 12 desambra lasa teo ny vanin’andro nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana, ka tany Toliara no nokasaina hankalazàna io andro manan-danja eo amin’ny fiainany io, ka efa niomana tamin’izany ny mpikatroka any an-toerana. Noho ny hasomparana nataon’ny manana fahefana teto amin’ny firenena dia tsy tanteraka araka ny niheverana azy ny fotoana.

Na izany aza ny zavatra nisy dia tsy diso anjara tamin’ny fankalazàna ny andro nahaterahan’i Dada ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), fa nisy ny hetsika natao tamin’izany tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana ny sabotsy teo. Fotoana ihany koa io, nanamafisan’ny Vehivavy TIM ny firaisankinan’izzy ireo. Tonga marobe ireo vehivavy TIM, ka nahatonga solontena tamin’izany ny distrika rehetra mandrafitra an’Analamanga. Nanome voninahitra ny fotoana ny birao politika nasionaly, notarihan’ny mpikambana ao anatiny Julien Andriamorasata, sy Me Eloi Ratefimahefamijoro. Natao izao fihaonana izao hoy ny mpitarika ny vehivavy TIM Analamanga Rahelisoa Arphine amin’ny maha fankalazàna ny andro nahaterahan’ny filoha nasionalin’ny TIM Marc Ravalomanana; nefa eo ihany koa ny famondronana ny hery satria ny vehivavy dia isan’ny singa iray mandrafitra ny antoko Tiako i Madagasikara, isan’ny matanjaka, satria izy ireo no isan’ny tena mahatsapa ny maha sarotra ny fiainana ankehitriny, izay mianjady ao an-tokatranon’ny tsirairay. Tokana ny tanjon’ny vehivavy TIM dia ny hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray. Nandritra ny fotoana dia niarahaba manokana ny filoha Marc Ravalomanana ny vehivavy TIM. Ho lava andro iainana anie i Dada, ary omeny fahasalamana satria ilaina hanarina firenena izay latsaka an-katerena ny tenany.

Ankoatra izay dia nitaona ireo vehivavy manerana an’i Madagasikara ny vehivavy TIM Analamanga, mba hanangana ny vehivavy TIM any amin’ny faritra manerana ny Nosy fa fotoanany izao. Ny zavatra mahafaly dia efa mitsangana ihany koa ny vehivavy TIM Frantsa amin’izao fotoana izao.

Ny solotenan’ny birao politika nasionaly Julien Randriamorasata raha nandray fitenena dia nankahery ny vehivavy TIM amin’ny fandavantena hananan’izy ireo hampiroboroboana ny antoko. Ny filoha Marc Ravalomanana hoy izy dia nitondra avo sy nampiakatra ny fiainan’ny Malagasy fony izy nitondra, ka miarahaba azy isika amin’izao tsingerintaona nahaterahany izao. Vonona isika rehetra hamerina azy hitantana ny firenena indray. Nandritra ny fotoana moa dia niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-telefônina ny filoha Marc Ravalomanana na dia tany an-tany lavitra aza ny tenany nankehery sy nisaotra ireo vehivavy TIM ary niara-nizara ny mamy tamin’ny Vehivavy TIM Analamanga iszay niatrika ny fotoana.