Filoha Rajoelina – Tsy manana tetikady amafana ireo fahafaham-baraka nifanesy

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra misafotofoto ny toe-draharaham-pirenena tato anatin’ny 3 taona, ka tsy fantatra intsony na misy mody adala na vao miana-draharaha, na tsy nanampo ho tonga eo amin’ny fitondrana ny manam-pahefana eto amin’ny Firenena. Eo amin’ny sehatry ny toekarena dia miiba : -7,2 ny tahan’ny harinkarena faobe (taux de croissance économique). Mitotongana ny sandam-bola ariary ka efa mananika ny dimy arivo ariary ny euro iray. Mahantra fadiranovana ny sivifolo isan-jato maherin’ny Malagasy.

Misavorovoro ny sehatra politika, ka sakanana tsy mahazo mihetsika ny mpanohitra kanefa zo fototra voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana. Tsy ny mpanohitra ihany fa hatramin’ny fiarahamonim-pirenena toy ny Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa. Porofon’izany ny hetsika nataon’ity farany ny zoma lasa teo, ka tsy navela niditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.

Ny alahady lasa teo koa dia nosakanana tsy niditra tao amin’ny Magro Toliara ny vahoaka. Ny hetsika saika natao anefa dia ny fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny Filoha Ravalomanana Marc. Nialohan’io dia efa nosakanana teny an-dàlana ho any Akililaoka izy ny alakamisy. Ny mahavariana dia toy ireny sonegaly mahazo baiko tamin’ny fanjanahantany ireny ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Tena tsy mahafantatra ireo zon’ny Filoha Ravalomanana Marc amin’ny maha olom-pirenena mizaka ny zo feno maha Malagasy azy, ankoatry ny zo maha filoham-pirenena teo aloha azy ve ireto toa sonegaly herim-pamoretana ireto?

Bahanan’ny IRD daholo ny andrim-panjakana rehetra, ny mpanatanteraka no mibaiko ny sehatra rehetra, ka zary mpanjaka manjaka tokana ny filohan’ny Repoblika, satria tsy misy hetsika mandeha raha tsy misy baiko avy any aminy. Tsy te-hahalala ny mpomba an-dRajoelina Andry ka hatramin’ny Lalàna fototra momba ny tetibolam-panjakana avy no lanilany foana satria tsy nisy nahavaky sy nandinihana tamin’ny antsipiriany izany akory ireo maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena.

Ny tena zava-doza dia ny fanovaovana ny anaran’ny tetikasa nindramam-bola any ivelany toy ny “téléphérique” lasa “transport sur câble”. Midika izany fa na ireo depiote aza dia tsy mahay mamaky na tsy mahay ny elanelan’ireo voambolana ireo. Tsy mahafantatra ihany koa ny depiote, fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no mibaby izany trosa izany, fa hatramin’ireo vahoaka nifidy azy ireo, izay tsy hampiasa na hitaingina izany na oviana na oviana. Araka izany dia samy tsy misy mihevitra izay mety mahasoa ny vahoaka any amin’ny distrika niaviany ny ao amin’ny fitondrana ao, fa mikatsaka izay tombontsoany manokana, ka katsahina avokoa izay fomba rehetra hanaovana bizina.

Tsy takona hafenina intsony ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izay mahantra ny sivifolo isanjato mahery. Malaza amin’izao fotoana izao ny “bidon jaune” izay mitandahatra ampolony metatra maro eny amin’ny paompim-pokontany. Ny manana rano an-trano dia tapaka matetika ny rano, ka misy ora maro na andro maro mihitsy ny fay rano amin’ny tanàna, ka tsy misy ho velesina intsony. Tsy ambakan’izany ny fahatapahan-jiro, tsy eto an-drenivohitra fotsiny fa hatrany amin’ny Faritra any koa. Mirongatra indray ny valanaretina covid-19 ka manahy ny maro fa sao hamerina ny hamehana ara-pahasalamana indray ny mpitondra, mba hahafahany manao izay tiany hatao indray, satria efa manomboka mihetsika daholo, tsy ny mpanohitra ihany fa hatramin’ny fiarahamonim-pirenena ihany koa. Soa ihany, angamba, fa mbola variana manomana ny fety faran’ny taona ny ankamaroan’ny olompirenena. Tsy misitraka ilay tsy fandoavana haban-tseranana intsony ireo orinasa afaka haba, ka azo antoka fa hikatona indray izy ireny dia ho maro indray, ny ho voaraoka amin’ny asany hanampy ireo efa lasa mpivarotra amoron-dàlana sy mpanakan-dàlana. Maro koa ny ray aman-dreny no tsy afaka mandefa ny zanany any an-tsekoly intsony satria tsy manam-bola andoavana saram-pianarana ary foana tanteraka ilay saranga antenantenany (classe sociale moyenne), mitombo isa izay tsy izy ny mpatory an-tsena sy eny ambany tetezana ary eny amin’ny manodidina ny fanariam-pako. Nizara tany iray hekitara, trano, omby vavy be ronono indray ny filohan’ny Repoblika toy ny nataony tany Antsoatany. Tsy fantatra akory anefa ny tohin’ity tantara farany ity. Tsy mbola hitan’ny mpitondra ihany koa izay vahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana, ka ny vahoaka na mpianatra manao fihetsiketsehana, tànam-polo, hanoherana izao fahoriana tsy roa aman-tany izao no ampiasàna fitaovam-piadiana ary tsy mahovoko firy manoloana ny asan-jiolahy sy fanafihan-dahalo. Sambon-danitra sovietika no nomena anarana “Apollo”, ka avy eny an-danitra raha izany no niainga ny fiketrehana ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny Repoblika. Efa mandeha moa ny fitsarana ka ho hita eo izay ho tohiny.