Raharaha ady tany any Nosy-Be – Nosamborina, avy eo navotsotra i Ninie Donia

Niaina

Raharaha ady tany any Nosy-Be, nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, avy eo navotsotra ny mpanakanto sady mpanao politika Ninie Donia, mpanakanto sy mpanao politika tsy manaiky ny tsindry hazo lena amin’ny fakana ny vahoaka madinika any Nosy-Be faritra Diana.

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ary natao fanadihadiana tany amin’ny mpitandro filaminana tany Fascène Nosy-Be i Ninie Donia omaly. Fiarovana ny tanin’ireo vahoaka tsy ho alain’ny SIRAMA no anton’ny nisamborana azy raha ny fantatra. Tany izay kasaina hanaovana tetik’asan’ny Filoham-pirenena.

Ankilany, tsy nanaiky ny fisamborana azy ireo vahoaka ao Nosy Be, ka nanao fitakiana ny hamotsorana azy. Navotsotra tokoa izy rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. Nisy ny fanambarana nataony tao aorian’izany: “Akory aly atsika aty amin’ny Gendarme Fascene zahay kela vita enquête, fa alaifa mody zegny ho Ro dia hita eo. Mitsangana atsika Malagasy fa tsy Rariny ai nefa procédure mbo mandeha nefa didy jadogno no misy aty Nosy Be. Resaka Tany Lay Raha niravaigny Lay Raha. Tiako atsika », hoy izy. Mbola ho tantara hitohy arak’izany ity raharaha ity.