Raharaha APOLLO 21 – Voasazy 20 taona asa an-terivozona Paul Rafanoharana…

Stefa

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha Appolo 21, na ilay raharaha voalaza fa nisy fikasana hifofo ny ain’ny filoha Andry Rajoelina. Naharitra andro maromaro ny fanadihadiana natao an’ireo voampanga, sy ireo vavolombelona momba ity raharaha ity ary vita sy navoaka tamin’ny fiafaran’ny taom-pitsarana 2021 eto amintsika omaly ny didy.

Ny didim-pitsarana tamin’izany:
– 20 taona asa an- terivozona: Paul Rafanoharana.
– 10 taona asa an-terivozona: Razafindrakoto Aina Marie sy François Marc Philippe.
– 5 taona asa an-terivozona: Andrianandrianina Voahangiarisoa Nomenjanahary.
– Afaka noho ny fisalasalana: Rozette Brigitte sy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand.
– 5 taona an-tranomaizina sazy mihantona : Ramahatra Victor sy Andriazanakolona William Yvon, na i Sareraka.
– Afaka madiodio: Rakotondramanana Alain José, Diary Rivohasina Angelot Gaston, Dabaka Jean Michel, VALOMILA Bien Aimé, Harisoa Princy, Totoarisoa Rakotoarison Alphonse Anthony, Andria Tiana Michel, Ravelonarivo Jocelyn, Rakotoarimanana Nomenjanahary Maminiaina Patrice, Rapo Nicholson Edouard, Diambelou Euclide.

Samy nanana ny fandraisany azy ny sokajin’olona samihafa momba ity raharaha ity, ao ny nilaza fa sinema, ao ireo nilaza fa zavatra tena nisy ilay fikasana hamono ny filoha. Ny hita aloha, vita omaly iny fitsaran’olombelona iny! Ho hita eo ihany ny ho tohiny!