Ny Valosoa
Hoy ny fahendrena malagasy manao hoe: “Izay mangina volamena”, raha hazavaina tsotsotra ny mikasika io fehezanteny malaza io dia nampitoviana amin’ny volamena, akora sarobidy indrindra, ny fahaizana mifehy ny vava tsy hitsaontsaona, fa handinika sy hamakafaka vao miteny. Ny hiran’i Barijaona tsy afaka ambavan’ny mpankafy ny kanto dia manao hoe : “Tsy resy tsy akory ny olomangina”, ny dikan’izany dia ilaina ny faharetana satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handresy ny marina, na dia totofana toy ny miseho ankehitriny aza.
Fa ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika dia amin’ny endriny hafa mihitsy satria volamena tena izy, fananantsika malagasy no misy nanondrana antsokosoko any ivelany.
Tamin’ny 31 Desambra 2020 no tratra tatsy Afrika Atsimo ny volamena milanja 73,5kg, nanao izay ho afany ny mpitondra teto amintsika, saingy hatramin’izao dia mbola giazan’ny fitondrana any Afrika Atsimo ny entana, ary mbola tsy afa-bela izy telo lahy samy teratany malagasy.
Ny Talata 28 Desambra 2021 dia nisy volamena 49kg tratra indray tatsy amin’ny Nosy Kaomôro, ka telo mirahalahy indray no voatana tamin’izany, ka malagasy ny roa tamin’ireo telo lahy ireo, tsy mbola nanome ny andinindininy ny zandary kaomoriana. Ny sampandraharahan’ny fadintseranana malagasy koa dia nilaza ho mbola tsy manan-kambara fa mbola hanao fanadihadiana hono, kanefa dia sarotra ny hino hoe tsy avy aty amintsika no nivoahan’ilay volamena, satria tsy tokony ho sendrasendra ny nahatafiditra an’ireo teratany malagasy roalahy voarohirohy sy voatana atsy Kaomôro.
Tsikaritra izany f’efa fomba fanao mihintsy ny mamoaka ny harempirenena eo anelanelan’ny Krismasy sy Taombaovao, manjaka tanteraka ny gaboraraka, satria ny zava-tsarobidy eto amintsika dia “Atao tantely afa-drakotra , ka anjakan’ny adala”, ireo mpandroba sy mpanondrana antsokosoko no ambara ho adala eto.
Tsy ho ela dia hivoaka ny marina momba ity volamena tatsy Kaomôro ity, satria ny kaomoriana koa dia efa mivoatra, azo antoka fa tsy hitsikombakomba amin’ny mpanao hosoka.
F’isika malagasy koa dia tokony ho mailo tanteraka manoloana ny zavadoza mambotry firenena toy izao, izay rehetra manampanahy no tiana entanina, satria efa tsy takona hafenina, fa tsy antenaina amin’izay fiarovana ny harempirenena ireo mpitondra, satria ry zareo natao hanirina indray aza no toa mampivandravandra, matoa tsy niverina ny volamena tany Afrika Atsimo dia “ao raha”, dia lasa koa ny manaraka.
Ampy izay ny herintaona nanginana sy nandinihana, ka tokony hiteny sy hijoro amin’izay ny olompirenena rehetra, ka hitafy fahasahiana miaraka amin’ny fahamalinana tanteraka isika malagasy, sao ho ritra toy ny paiso ankady ireo volamena sy harena sarobidy hafa, izay tokony ho lovain’ny taranaka fara amandimbintsika, izay finiavana sy fahasarotampiarontsika amin’ny ho avin’ny taranantsika, izay dia toetra tena Volamena mbola lafo lavitra noho ny volamena naondran’ireo “olompirenena ankosotra” any ivelany.