Andry Tsiavalona
Tsy nahataitra sy tsy nampihetsi-bolomaso ny mpitondra amin’izao Repoblika faha-4 andiany faharoa izao, ireo fahafahambaraka nifanesy teto amin’ny Firenena. Raha ny marina dia tsy ireo nampindramina fahefana ireo ihany no afa-baraka fa ny vahoaka Malagasy mihitsy, satria ny mpitondra ihany no heverin’ny any ivelany ho modely.
Volamena
Vao niandoha ity taona madiva hivalona ity dia nisy ilay volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Niezaka nanadio tena ny mpitondra fa navoaka antsokosoko ity volamena ity. Nisy koa ny familiviliana ny saim-bahoaka, fa tsy an’ny gasy izany kanefa taty aoriana dia nitaky ny hamerenana ny volamena sy ireo telo lahy nitondra izany ny mpitondra. Tsy vitan’izany fa nisy vola vahiny ihany koa niaraka tamin’ny volamena. Araka ny mahazatra dia atao ny fanadihadiana tsy misy fiafaràny ary eny am-ponja ny trondo madinika fa ny vaventy kosa dia miriaria eny ihany. Fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra ity tranga ity, satria ny volamena tsy miverina ary ireo migadra atsy Afrika Atsimo tsy avotsotry ny mpitondra ao Afrika Atsimo. Ny 20 Febroary 2021 dia nikasa nanao tatitra ho an’ny mponina eto an-drenivohitra ny solombavambahoaka TIM voafidy eto, ka nangataka ny Kianjan’Ambohijatovo, izay tsy nahazoany alàlana ary dia nikasa ho eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey kanefa dia vao mangiran-dratsy dia rakotry ny herim-pamoretana sy fiara mifono vy ny teo afovoan-tanàna. Tsy nisy tafiditra tao ary nisy olona roambinifolo mianadahy nanao akanjo mena nosamborina ary nampidirina am-ponja vonjimaika ary rehefa nandalo fitsarana dia voaheloka nigadra telo volana an-tranomaizina. Tsapa avy amin’ity tranga ity, fa tsy tokony nogadraina ireto olona ireto. Diso ny fiheveran’ny mpitondra fa nanana ny rariny izy raha nanasazy kanefa dia nampiseho fahalemena ny fihetsiny sady nahamenatra teo imason’izao tontolo izao.
Fitakiana
Nandritra ity taona ity ihany koa no nisy hetsika fitakiana isan-karazany. Tsy hadino ny fitakian’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony vatsim-pianarana, ka nisy mpianatra namoy ny ainy mihitsy tamin’izany, tao Toamasina sy tany Toliara. Tsy diso anjara tamin’izany ny “Paramed”, izay nitaky ny karamany sy ny tambin-karama manokany ary teo koa ny mpiasa misahana ny fampandehanan-draharaha (administration) eny amin’ny Anjerimanontolo izay atao ankilabao. Manontany tena ny olompirenena hoe tsy misy vola azo raisina mihitsy ve ao amin’ny tahirimbolam-pirenena ao no manalabaraka tena ny mpitondra, satria tsy hita pesimpesenina ny vola laniana amin’ny fivezivezena etsy sy eroa. Vola 77 tapitrisa dolara no nolaniana nanaovana ny Kianjan’i Mahamasina. Nasaina manokana ary nanofana fiaramanidina manokana mihitsy ny mpilalao baolina kitra matihanina Samuël E’too tamin’ny fitokanana ny kianja. Afabaraka ny mpitondra satria tsy nanatrika ny fihaonan’ny Barea tamin’i Congo akory ity mpilalao ity, fa nentina teto ihany mba handresy lahatra ny FIFA, mba hamoaka ilay vola nampanantenainy homena firenena Afrikana hanaovana kianja. Dia mbola afabaraka fanindroany indray ny mpitondra momba ity kianja ity, satria dia vao herinandro vitsivitsy izao no nanambara ny orinasa nanao ny kianja, fa mbola misy trosa tsy voaloan’ny fitondrana malagasy tamin’ny nanaovana ny kianja. Nitady tombony ny fitondrana Rajoelina Andry, satria nanantena ny vola avy any amin’ny FIFA dia na nampiasa ny volan’ny firenena madiodio na nindram-bola tany ho any kanjo diso kajy, ka alain’ny olona baraka. Tsy toy ireo orinasa gasy nanao asa fanamboaran-dàlana, tsy nomena karama kanefa tsy sahy mihetsika toy ny sinoa. Na ohatrinona na ohatrinona ny trosa tsy voaloa dia tsy izay no zava-dehibe fa ny fahafaham-baraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny tsy fandoavana trosa.
Serasera
Anisan’ny nanala baraka izao fitondrana izao ihany koa ilay raharaha teo amin’ny fiainan’ny minisitry ny serasera sy kolontsaina, sy ny vadiny, izay nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika. Ary nampiseho fa tompon’andraikitra Veta ao anivon’ity fitondrana Rajoelina ity ny ministra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy. Tsy vita teo ny tranga mamoafady eo anivon’ny governemanta, fa tsy takona hafenina intsony ny fifanolanana sy fifampihantsiana eo amin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny minisitra lefitra eo ambaniny. Nitranga ny raharaha Apollo 21 izay toa sarimihetsika ihany no fandraisan’ny olona azy. Efa vita ny fitsarana ka tsy hidirana lalina ny didim-pitsarana nivoaka, satria tsy mivoaka ny valan’ny politika izany. Niaraha-nahatadidy ilay fanaovana rangom-pohy ny fisamboram-bola, momba ny tetikasa an-kamehana “téléphérique”, tao amin’ny minisitera tany Frantsa, ka nijaridina taorian’ireo nanao izany ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina. Tsy mbola nisy filoham-pirenena nanao toa iny fihetsik’i Rajoelina Andry iny ka dia ny tena no menatra. Afabaraka eran-tany Rajoelina Andry, satria nanambara tamin’ny niandohan’ny valanaretina teto, fa CVO ihany no nitsaboany ny fianakaviany, hay rehefa lasa namonjy ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany Etazonia izy dia vaky bantsilana fa efa vita vaksiny ny volana febroary 2021 izy. Nihevitra, angamba, Rajoelina Andry fa tsy misy mahafantatra ny fepetra momba ny fahazoan’ny firenena iray vola ao amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) ao, ka nidehaka fa noho ny fahaizany mandresy lahatra dia nomen’ny Tale Jeneralin’ity rafitra iraisam-pirenena ity 332 tapitrisa dolara Amerikana i Madagasikara. Nihevitra izy fa raha teny Ivato izy no nanambara izany dia tsy ho fantatry ny mpitondra firenena maneran-tany izay nolazainy.
Kaomôro
Vao omaly ny omaly indray no nisy volamena 49 kilao tratra tatsy Kaomôro ary gasy roalahy sy teratany vahiny iray no nitondra izany. Tsy olan’ny mpitondra eto amin’ity Nosy ity izany fa lasa niala sasatra ny manampahefana rehetra ary ny vahoaka dia tsy mahazo mivory eny ankalamanjana ary tsy mihoatry ny zato no mivory ao an’efitrano mihidy. Milaza ny mpitondra fa tsy misy gadra politika eto, kanefa iaraha-mahalala ny mahazo ilay mpandraharaha gasy izay any am-ponja efa ho telo taona izao, tsy mbola nisy fitsarana. Fantatra fa mpifaninana tsy azo tsinontsinoavina amin’ilay tandapa mpanao ampihimamba ny làlam-barotra rehetra itsy voalohany, ka azo antoka fa izany no amelàna azy any am-ponja, mba tsy hanelingelina ny tànana an-kavanan’ny filohan’ny Repoblika. Ny Baraka no afaka kanefa tsy mahasakana ny omby tsy ho any Sabotsy izany.