Fiainam-pirenena sy finoana – Mifanohitra amin’ny fomba fisainana katolika ny ataon-dRajoelina

Ny Valosoa

Niavaka mihitsy ny fotoam-pivavahana notanterahan’ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika eto Madagasikara ny talata 28 desambra 2021, nitondrana ambavaka ireo zaza tsy manan-tsiny nodimandry.

Mendrika ary sahaza ny vanim-potoana iainantsika ny fitrotroana ambavaka toy izany, ny fampahatsiarovana ireo zaza novonoin’i Heroda Mpanjaka lozabe tsy andrariny no hevitra niaingana, ka tsy nijanona tamin’izay ihany, fa nentina ambavaka ihany koa:
– Ny loza niteraka famoizan’aina toy ny loza tamin’ny fifamoivoizana an-dranomasina nahatonga ny faharendrehan’ny sambo sy ny fianjeran’ny angidimby tany amin’ny morontsiraka atsinanana.
– Ny famoizana aina vokatry ny kere sy ny aretina koronaviriosy ary ireo herisetra maro nianjady tamin’ny sokajin’olona maro.

Nomelohin’ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika koa, ny fandorana ny ala, sy ny fanimbana ny tontolo iainana ary indrindra ny fanalanjaza. Somary marefo ny mpivavaka hoy ny Eveka nanao ny toriteny, raha toa ka mahery setra sy be fihavy ireo toa an’i Heroda, saingy rehefa mifikitra amin’ny finoana ny kristianina dia maty ho azy ireo olon’i Heroda.

Fa teo amin’ny sehatry ny fiangonana katolika iraisampirenena dia nisongadina ny hafatra nampitain’ny Papa François tamin’ny 08 desambra 2021, izay nanambaran’ity Ray Masina ampanahy ity, ho an’ny mpitondra manerantany, mba hampitombo ny tetibola momba ny fanabeazana ary hanena ny fandaniana mahakasika ny fitaovampiadiana.

Rehefa dinihina amin’ny saina tony ny fanambarana nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika, sy ny hafatry ny Papa François, ka hadihadiana ny fihetsikin’Ingahy Filoha Rajoelina, sy ireo mpiaradia aminy dia hita taratra, fa mifanohitra tahaka ny atsimo sy avaratra ny ataon’ny roa tonta, satria ny mpitondra eto amintsika tsy dia miasa saina be loatra amin’ny fitsinjovana ny fahoriambahoaka, fa variana amin’ny “werawera”, izay tsorina fa endriky ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana.

Iaraha-mahita ny fomban’ny fitondrana tsy manome vatsimpianarana raha tsy misy fandorana kodiarana, tsy mandoa ihany koa araka ny tokony ho izy ny karaman’ ireo mpampianatra sy mpiasa mampandeha ny Anjerimanontolo. Ny tsy firaharahiana ny finiavan’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fiatrehana ny fitsaboana ny koronaviriosy manginy fotsiny , tsy ireo ihany fa marobe tsy tambo isaina ny volan’olona arirarin’ny fitondrana, kanefa dia misy foana ny vola rehefa hampihetsika ireo herim-pamoretana hanenjika ireo mpaneho hevitra amimpilaminana.

Tsy sasatra ny mampaneno fanairana ireo ray amandreny mpitondra fiangonana, kanefa ireo nahazo fahefana dia toy ireny vorondolo za-dakolosy ireny, ka tsy mihontsona intsony fa ny tsy mety ataony ihany no tohizany. Ireo famoizana aina marobe nisy teto amin’ny firenena dia vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpitondra, izay misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny zaza malagasy, k’izay no mahatonga ny fampitahana ireo mpitondra tsy manao ny asany amin’i Heroda mpamono zaza tsy manantsiny.

Ny tena mampalahelo dia lohalaharana mihitsy Ingahy Filoha amin’ny fanatrehana ny fihaonamben’ny tanora katolika na “Jmj”, ary isan-taona dia eny Andralanitra izy no mankalaza ny Noely , saingy ny fihetsika ataony sy ireo mpiaradia aminy dia mivaona tanteraka amin’ny fomba fisainan’ireo ray amandreny ampanahy mpitarika ny fiangonana katolika eto an-toerana sy any Vatican.