Mahery Lanto Manandafy – Raharaha fesiboky sy ny tohiny – Sazy miantona enimbolana – Hafahafa ireo zandary avy ao amin’ny BRC

Ny Valosoa

Sazy mihantona enimbolana sy onitra no didy nivoaka tamin’ny raharaha izay niantomboka tamin’ny fanontaniana tao anaty fesiboky, ka nampiakatra an’i Mahery Lanto Manandafy teny amin’ny Fitsaràna anio alatsinainy 31 janoary 2022. Hafapo tamin’ny didy nivoaka ny tenany ary tsy hampiakatra.

Raha nanontanian’ny mpanao gazety i Mahery Lanto raha hangiana aorian’izao zava-niseho izao dia namaly ny tenany fa tsy maintsy hojerena ny fanarenana ny firenena. Ary ny mikasika ny teny faniratsiràna ny andrimpanjakana dia tsy ho atao intsony.

Notsindrian’i Mahery Lanto manokana nandritra ny tafany tamin’ireo mpanao gazety ny fihetsika hafahafa nataon’ireo zandary avy ao amin’ny Brigade de Recherche izay nikasa nitondra azy nandritra ny fotoana fanadihadiana nataon’ireo polisy taminy ny asabotsy lasa teo. Ary dia mbola nitranga indray izany androany tao an-tokontanin’ny fitsaràna rehefa tonga hanatrika fanadihadiana eo anatrehan’ny mpampanoa lalàna ny tenany. Mampanontany tena ny hoe inona no anton’izao fihetsiky ny zandary izao ary iza no mibaiko azy? Eto dia tsy fantatra na mbola hitohy izany fikasan’ireo zandary avy ao Tsiadana hisambotra an’i Mahery Lanto.

(Rohy FB: https://www.facebook.com/fernand.Mah/videos/765065494885344)