Sôh’son
Miditra sahady amin’ny volana faharoa amin’izao taona diavina izao isika. Toe-javatra maro samihafa no natrehina tamin’iny volana janoary nivalona iny ary saika nibahana tao anatin’izany ny olana sy fahasahiranana maro samihafa hoan’ny isam-batan’olona, na tokantrano sy fianakaviana ary ny firenena manontolo, vokatry ny toetrandro sy ny loza voajanahary. Ankehitriny mbola tsy afaka ny takaitra navelan’izany eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka ihany koa anefa isika izao ary mbola tsy tafavoaka ny ala araka ny fitenenana, izany hoe, mbola mila manoman-tsaina sy ara-pitaovana isan-karazany amin’ny fiatrehana izay mbola rivodoza hoavy manaraka handalo eto amintsika.
Nivoaka avy eo anivon’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny herinandro lasa iny, fa efa miomana ho amin’izany ny fitondrana ary nofariparitany izay tokony hatao rehetra amin’izany. Fanomezan-toky an’iza moa izany sa ho an’ny tenany ihany? Vao re mantsy ilay teniny hoe efa miomana ho amin’izany, dia mitamberina ao an-tsaina ny tany amin’ny taona 2020, volana janoary fiandohan’ny taona, fa efa vonona ny hiatrika ny fidirana sy ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ny fitondrana Malagasy, efa vonona tsara ireo fitaovana isan-karazany momba izany, sns… Niaraha-nahita sy niaina tsara anefa ny zava-nitranga rehefa tafiditra teto, noho ny fahataran’ny fepetra fanidiana ny sisintany, ny seranan-tsambo sy indrindra ny seranam-piaramanidina. Nihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina ary tsy naharaka na ny fitaovana fitsaboana nolazaina fa vonona, ny mpiasan’ny fahasalamanana sy ny toerana nandraisana ireo narary, mbamin’ny toeram-pandevenana, izay niteraka resabe teo amin’ny vahoaka tamin’ireo lavaka noforonin’ny fitondrana hatao handevenana izay lavo. Mbola nitovitovy tamin’izany ihany koa no nitranga tamin’ny taon-dasa rehefa niatrika ny onja faharoa amin’ny valanaretina ny firenena.
Raha mandray lesona marina sy mahay manitsy ny diany izao fitondrana izao, ka mba miroso miha-matotra kokoa amin’ny fomba fiasa, dia tsy ho be resaka, na ny teny no atao lasa aloha toy ny hatramin’izay fa ny fanatanterahana zara raha misy vita. Inoana mihitsy, fa tsy tao anatin’ny drafitra nofaritany tany am-piandohana nanaovany fidedadedahana be hatrany Frantsa, mialoha ny nitondrany azy teto kanefa mandraka ankehitriny tsy voazava ny amin’ny paikady fisorohana ny amin’izay mety ho vokatry ny loza voajanahary toy izao. Kanefa izany dia efa mpanjo an’i Madagasikara isan-taona, sy toy ny mitranga ihany koa, ohatra, manjo ireo mpiray tanindrazana any atsimo amin’ny kere. Efa miseho ny olana vao mody mikoropaka, ary tsy maintsy manao rahateo. Ilay fitavozavozana sy tsy fahombiazana araraotina ho kisary politika isehoana ho fitsinjovana vahoaka iharan’ny olana anefa, no manahirana ny mpandinika ny raharaham-pirenena ny mieritreritra azy ao anatin’izany.