Ny Valosoa
Teny roa no natambatra dia ny tratra sy voina, ara-pitsipika dia milatsaka ny tra, ny v miova ho b aorian’ny tsipi-panohizana dia lasa hoe tra-boina , izay mpamaritoetra, kanefa dia ekena ho anarana iombonana ihany koa. Matetika dia tsy ampiasaina intsony ilay tsipi-panohizana, sady tsy mampiova ny hevitr’ilay teny na misy na tsia, ny zava-dehibe dia mahazo ny dikany avokoa ny rehetra ary samy mahay mampiasa ilay teny daholo.
Tsy ny loza voajanahary ihany no mahatraboina ny olona, fa mety vokatry ny herisetran’ny mpiarabelona ihany koa.
Tsy mbola maty ao an-tsain’ny malagasy ny zava-nitranga 13 taona lasa izay, dia ny fandorana tanàna, vako-pirenena toy ny Rnm sy Tvm, no nodoran’ireo tsy mataho-tody ny 26 Janoary 2009, niampy fananan’olon-tsotra, ka izay tsy may dia voaroba, andro vitsivitsy indray ny 07 Febroary 2009 dia nentina niaka-dapa, faritra mena ireo vahoaka voafitaka, dia nisy ireo matin’ny bala teny Ambohitsorohitra.
Traboina no iantsoana ireo rava fananana, satria maro ireo tompon’ny tranombarotra may sy voaroba, no tsy nahatsangana ny tsenany, sady tsy nahaverina ny volan’ny banky nindramina, ary tsy norahirahian’ireo mpitondra nifandimby ny fanonerana ny rava, ireo maty sy naratra vokatry ny fananihan-dapa dia tena traboina ara-bakiteny , ary ireo nahavanon-doza dia vao mainka aza nahazo fahefana.
Nahazo fahefana tokoa Rajoelina ny 17 martsa 2009, mpitondra tsy voafidy ara-dalàna, no nampiasa fitaovam-piadiana nakana fahefana, ny dikan’izany dia traboina ihany koa no ilazana ireo miaramila sy zandary ary polisy nanaiky ho fitaovana, sady ny tena zava-doza hatramin’izao dia miova mihitsy ny hevitry ny hoe “ho an’ny tanindrazana”, satria toa ireo mpitondra nandroba fahefana no lasa tanindrazana tompoin’ireo mpanao fanamiana sasany, soa fa tsy izy rehetra.
Napetraka tamin’ny toerany i Rajoelina ny 21 martsa 2009, ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), no nametraka azy ho filoha, nanomboka teo dia nahazo vahana ny fanosihosena ny lalàna ary lasa gaboraraka tanteraka ny fitsarana, mazava izany fa dia tra-boina ihany koa ny fitsarana malagasy satria resy lava ny fahamarinana, dia mbola niseho izany tamin’ireo fifidianana nifanesy teto amintsika.
Ny mahavantana ny sain’ny rehetra rehefa traboina no resahina dia vokatry ny loza voajanahary toy ny rivodoza, tondra-drano, haintany, haintrano, ireo voalaza ireo anefa dia vokatry ny tandrevaka nataon’ireo nitondra nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao, anisan’izany ny fanotorana tany tsy ampiheverana, ny fandripahana ny ala, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena ary ny goavana indrindra dia ny familiviliana ireo fanampiana tokony ho sitrahan’ireo vahoaka tra-pahavoazana.
Nanomboka tamin’ny taona 2009 no nisedra olana hatrany isika malagasy, 13 taona izany no naha-traboina antsika , ny zava-drehetra dia manampetra, raha nitohy hono ny hazo dia tonga tany an-danitra ny voalavo, tokony tsy hihoatra ny 13 taona izay tarehimarika ankafiziny intsony ireo mpamotika firenena, satria efa tsenain’ny 2022, izay midika hoe ” ganagana mody”.