Feona ray aman-drenina mpianatra – Ovao ny fotoana ampianarana, omeo lanja hatrany ny diplaoma CEPE

Beharo

Nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety tamina ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekoly Epp, tsy miankina ary sekoly miankina amin’ny Ekar, tao amin’ny Boriboritany faha-5 teto Antananarivo. Azo lazaina ho niray feo ireo ray aman-dreny nandritra izany fa: aoka hovaina ny fotoam-pianaran’ny mpianatra. Niverina an-tsekoly tokoa ny mpianatra nanomboka omaly, taorian’ireny fotoan-tsarotra momba ny toetr’andro ireny, samy nahatsapa ireo ray aman-dreny maro sendra anay, fa tapatapaka ny fianarana raha izao fandaharam-potoana izao no mbola arahina, manampy trotraka ny valanaretina Covid-19, izay efa saro-bahana ho an’ny rehetra tokoa, ka mila jerena malaky ihany raha ny feo voaray. Tao ireo nilaza fa tsara hahemotra ny datim-panadinana, ka hamboarina mifanaraka amin’izany ny taom-pianarana.

Vao tsy ela izay no nandalo fialan-tsasatra ny ankizy, teo koa ny andro ratsy ANA, nefa mbola tratran’i BATSIRAI teo koa, dia hita fa tsy sahaza ny taom-pianarana intsony io mianatra fahavaratra io, izany hoe: tokony hanomboka tapaky ny volana febroary ohatra ny taom-pianarana iray, ka tapaky ny volana desambra ihany koa vao mifarana. Ny fanadinana no tanterahina faran’ny volana novambra ka mba misy tapany kely fanadiovana, fiandrasana vokatra, fanomanana taom-pianarana vaovao, na fihaonana faramparan’ny sekoly tsirairay. Ny andro Paska, na Pentekosta, sy andro fankalazana hafa hoy izy ireo dia mba ho ferana ho herinandro eo ho eo ny fiatoana, ka mba hamporisika hatrany ireo ankizy.

Nisy koa ny feo voaray momba ny CEPE, aoka hoy ireo ray Aman-dreny mba omen-danja ihany izy ireny, fa tsy atao tsinontsinona, io no mba tanjona, mari-pahaizana iray ahafantarana fa mahay manoratra sy mandinika ny ankizy iray, afaka mivarotra sy manao asa tsotra farafaharatsiny, ka mba tsy ho voambaka sanatria. Ny sasany aza moa mbola nilaza, fa tsara koa raha mba haverina ihany koa ireny “Instruction civique ” ireny, mba ho enti-miatrika sy manatsara hatrany ny fiainana ho avy, satria mbola ho ray Aman-dreny koa ireo ankizy any aoriana, sady fitaizan-tena sy toetra no antoky ny ho avy, ka tsy ho voasembantsemban’ny ANA na ny ANA(o), na ny ANA(reo), sy ny BATSIRAI na BATSIZATO, COVID-19, 20,… intsony sanatria, fa mba hizotra tsara amin’izay ny fampianarana!