Ny Valosoa
Ny mpitondra sy ny mpiara-misaosy aminy sisa no tsy sahirana ankehitriny, fa ny vahoaka manontolo dia efa tena difotry ny fahasahiranana tanteraka, na any ambanivohitra na aty an-drenivohitra. Asian-teny manokana anio ny manjo ireo ray aman-dreny mampiana-janaka, indrindra amin’ny sekoly tsy miankina. 5 andro raha betsaka no nianarana nandritry ny volana janoary noho ny fielezanny valanaretina ary koa ny toetr’andro ratsy teto amin’ny firenena. Aloa feno anefa ny saram-pianarana amin’ny sekoly tsy miankina. 2 amin’ny sekoly 100 angamba no mba nanaiky ho ny antsasany no haloa tamin’ny janoary.
Mikarakara taratasim-panadinana CEPE, BEPC, BAC indray ankehitriny ary miroso amin’ny fizaham-pahasalamana atao any amin’ny CSB na tobim-pahasalamana. Misy hatrany ny vola takiana isaky ny mpianatra, ho saram-pitsirihana amin’ireny toerana ireny. Mody lazaina fa ho saran’ny fikajiana ny antontan-taratasy, dia ahorona toy ny rakitra anefa ny lelavola 500 ar hatramin’ny 2000 ar isaky ny mpianatra. Tsy misy rosia na kely aza, ka ahoana no inoana fa mirotsaka ho amin’ny fampandehanan-draharaha ao amin’ireny tobim-pahasalamana ireny ny vola azo?
Ny marina dia hifampizaran’ny dokotera sy ny mpitsabo ao fotsiny ireny vola avy amin’ny mpianatra ireny. Fa aiza izay natokan’ny fanjakana ho fampandehanan-draharaha amin’ireny? Moa tsy mpiasam-panjakana mandray karama isam-bolana ve ireo ary tsy anisan’ny andraikiny ve izany? Tsy maintsy ny vahoaka efa mahantra hatrany ve no miantsoroka izany? Voalazan’ny mpitondra ombieny ombieny koa tao anatin’ny 5 taona izao, fa tsy andoavam-bola ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC. Hatreto dia tena tsy marina izany, fa mandoa vola foana amin’ny CEG na Lycee ireo mpiadina amin’ireo fanadinana ireo. Na avadiky ny talen’ny sekolim-panjakana aza, fa hoe ho fampandehanan-draharaha ao amin’ny CEG na Lycee ireny fa tsy droit akory, ho an’ny ray aman-dreny, rehefa misy vola mivoaka avy any am-paosiny dia “fakam-bola “ izay na inona na inona fanodinkodinan-dresaka ataon’ny mpitondra sy ny mpiasam-panjakana. Mba mandà ihany ny ray aman-dreny maro ny amin’ireny loavola ireny tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izay, nefa dia fandrahonana sy vava tsy mendrika hatrany no mahazo ny maro amin’izy ireo.
Merci Amin’ity taona 2022 ity aza dia heno fa misondrotra daholo indray ireny sara ireny, satria toa samy maka ny azy na ny CEG na ny Lycee. Tena ganagana misasa loha ka samy manao izay saim-pantany, ary samy mametra izay lelavola tiany hotakiana ny talen’ny sekolim-panjakana ankehitriny. Tsy misy miteny azy ny tompon’andraikitra any ambony satria any koa no tena misy ny fanodinkodinana mahatsiravina, saingy tsy misy arakaraka sy tsy misy tohiny, raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha bonbon sucette tao amin’ny minisitera, izay tsy hita ny tohiny hatramin’izao. Any amin’ny Zap samihafa koa dia mbola misy ny fakana vola isaky ny mpianatra, ka any amin’ny sekoly tsirairay no hitakiany izany, mba ho fampandehanan-draharaha hono. Fa angaha tsy ny fanjakana daholo no nanangana sy mametraka mpiasa amin’ireny toerana samihafa ireny e!
Ka izay fampandehanan-draharaha ve tsy ho vitan’izao fanjakana miseho ho manam-bola sy mahomby amin’ny fitantanana izao, fa dia tsy maintsy ailika sy ifampizaràna amin’ny vahoaka efa difotry ny fahantrana daholo ireny? Heverin’ny mpitondra fa vola kely tsy misy vidiny ve ireny 500 ar, 1000 ar, 4000 ar, 5000ar alainy amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ireny? Ho an’ny ray aman-dreny mpitarika sarety, mpatsaka rano, mpivarotra amoron-dalana, mpanasa lamba sns… dia tena mafy aminy ny ialan’izany, satria tena karamany indray andro ary efa kaontin’ilay fotsim-bary sy arina fandrehitra tsy maintsy vidiany isan’andro, izay manodidina ny 5000 ar izany.
Koa raha izao fakam-bola lava tsisy farany atao amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izao dia vao mainka tsy hitsahatra ny hitotongana ny fampianarana eto Madagasikara. Hihena isan-taona ireo mpianatra hiditra an-tsekoly. Ny sekoly tsy miankina mivondrona amin’ireny direction nationale ireny koa anefa dia malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona. Be dia be ireo direction nationale ankehitriny, saingy samy maka ho azy fa tsy miray hina ary dia tsy manana lanjany mihitsy hahafahana manery sy manitsy ny hadalana misesy ataon’ny mpitondra fanjakana. Raha fehezina hatreto dia ny ray aman-dreny mampiana-janaka hatrany no mijaly sy lany vola, vokatry ny fitiavantena sy fangoronam-bola tsy marina atao aminy.