Ady tany any Mampikony sy Port-Bergé – Olona 3000 miafina any an’ala noho ny antsojain’ny Cotona Real Estate

Stefa

Isehoana ady tany, ka miantraika amin’ny olona maro amin’izao fotoana any amin’ny distrikan’i Mampikony faritra Sofia, araka ny fanambarana avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena maromaro miaro ny vahoaka amin’ny taniny izay. Fokonolona miisa 3000 mahery no voatery miafina any anaty ala noho izay resaka ady tany izay, olona 39 efa naiditra am-ponja mahakasika ity raharaha ity.

Mponina amin’ny fokontany 10 any amin’ny distrikan’i Mampikony sy Port-Bergé, no miaro ny zony manoloana ny orinasa COTONA Real Estate (vondrona SOCOTA), izay milaza ho nahazo titra teo amin’ny tanin’ny voanjo iray ka manala ireo mponina efa namboly teo hatramin’ny andron’ny fanjanahantany. Tsy omen’ny sampandraharahan’ny fananantany ny Fitsaràna ny taratasy momba ny nahazoan’ny orinasa ny titra. Andriamatoa Filoham-pirenena dia nampanantena ny fokonolona, fa hanome azy ny tany rehefa lany. Nanomboka ny 18 Janoary 2022 teo anefa dia miafina any anaty ala ny ankamaroan’ny olona ao anatin’ny fokontany 10 ao amin’ny distrikan’i Mampikony sy Port- Bergé ireo, izay mampiasa ny tany atao hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”: Ampampamena (Kaominina Mampikony 2), Tsimijaly (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Ampandroangisa (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Tsararivotra (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Andranomadio (Kaominina Ankiririky – Distrika Mampikony), Sarodrano (Kaominina Ankiririky – Distrika Mampikony), Antsiraka (Kaominina Ampasimatera – Distrika Mampikony), Antsaronala (Kaominina Amparihibe – Distrika Port-Bergé), Antanakova (Kaominina Port-bergé 2, Distrika Port-Bergé), Ankijanimanga (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony). Voahosihosy ny zo maha-olona. Tao anatin’izay fitsoahana nohon’ny fanenjehana ataon’ny zandary izay dia nisy vehivavy 01 teraka kambana 02 tsy tonga volana (07 volana), efa tafakatra 39 no naiditra amponja vonjy maika, betsaka ny ankizy tsy afaka nianatra fa manaraka ny Raiamandreniny miafina any anaty ala, eo amin’ny fisamborana dia misy ny daroka sy vono atao amin’ireo voasambotra, mba hitoroka ireo namany. Nialohan’izao fitsoahana izao dia nosimbaina ny voly nataon’ireo Fokonolona ireo, nisy ny fahamaizan’ny betsaka tamin’ireo trakitera 07 nalefa nanimba ny voly nataon’ny Fokonolona. Tsy mazava ny fomba nahazoan’ny orinasa COTONA Real Estate ny tany nisoratra tamin’ny voanjo, izay efa nampiasain’ny Fokonolona efa hatramin’ny fanjanahantany.

Ny fototry ny olana dia ny ady tany misy eo amin’ny Fokonolona ao anatin’ireo fokontany 10 voalaza etsy ambony ireo, amin’ny andaniny, ary ny orinasa “COTONA Real Estate”, izay voalaza fa ao anatin’ny vondron’ny orinasan’ny SOCOTA, amin’ny ankilany. Ny tany izay iadivana, manana velarana 2787 hektara, tany ampiandohany dia nisoratra tamin’ny voanjo antsoina hoe Wickert Michel, vita titra tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Marihina fa ny Fokonolona teo an-toerana sy ny taranany dia nanohy ny fanajariana ny tany na tamin’ny andro mbola naha teo io voanjo io, na izy efa lasa ka hatramin’ny taona 2021 lasa teo.

Teo amin’ny Fokonolona sy ny Orinasa “COTONA Real Estate” dia nisy ny ady nifanaovan’izy ireo teo anivon’ny Fitsarana, tamin’ny ambaratonga rehetra. Ny votoatin’ny ady raha fehezina dia ny eo amin’ny tsy faneken’ny fokonolona ny fahamarinam-pototry ny fomba nahazoan’ny COTONA Real Estate nanoratra aminy ny tany. Raha vakiana ny voalaza ao anatin’ireo “certificats de situation juridique » -n’ireo titre amin’ny anaran’io Orinasa COTONA Real Estate io dia manambara, fa efa lasany ny tany koa niova anarana sy laharana toy ny 990-DT, ny 13-DT ary ny 12-DT. Dia voalaza fa azon’io orinasa io tamin’ny alalan’ny acte larahana 6096, tamin’ny 31/07/2007, ny tany mirefy 297ha 62a 50 sa (TN 990-DT), 290 ha 47 a 50sa (TN 13-DT) sy 219ha 45a 00sa (TN12-DT), izay nalaina tao anatin’ilay tany voalaza ery amboalohany atao hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”. Nisy ny fitoriana nataon’ny Fokonolona teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Mampikony nangataka ny fanafoanana ny titra 990-DT, dia namoaka didy sava-ravina io Fitsarana io ny faha 22/05/2018 (laharana 64 tamin’ny 22/05/2018, ny dossier laharana 21-RG/18), izay nametram-panontaniana ny sampandraharan’ny fananantany sy nandidy azy hanome ny “fond de dossier de mutation initiale et successive de la propriété LOT DE COLONISATION TF 21 et 22-BV”. Hatreto anefa dia mbola tsy nomen’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony ny Fitsarana ireo antontan-taratasy ireo, efa ho 04 taona lasa izao.

Ny Fitsarana dia nanome alalana hatrany ny fokonolona hampiasa ny tany. Ankoatran’io ady iray io dia niady hatrany koa ny Fokonolona teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga rehetra, mba hanohy hamboly hatrany eo amin’ireo tany izay efa novoleny, manoloana ny fanelingelenana sy fanimbana ny volin’izy ireo ataon’ny solontenan’ity orinasa COTONA Real Estate ity. Efa nanomboka tany amin’ny taona 2012 izany ady izany, ary ny Fitsarana dia nanome alalana hatrany ny fokonolona hamboly ny tany. Ary vao tsy ela fa, ny 07Aprily 2021, dia namoaka didy ny Fitsarana ambony tao Mahajanga, izay mitondra ny laharana faha187, izay manome alalana ny Fokonolona ao Andranomadio, Antsiraka, Tsararivotra, Tsimijaly, Sarodrano, Ampampamena ary ao Ampandroangisa, hanohy hamboly ao amin’ny “LOT DE COLONISATION PORT-BERGE” mandrapahavitan’ny fombafomba fangatahana tany izay efa nataon’izy ireo.

Ny OMC ao amin’i Distrikan’i Mampikony dia tsy nanaraka ny didim-pitsarana, fa naka fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, hoy ireo fikambanana maromaro nanao ny fanambarana: Association MMST, AVG: Alliance Voahary Gasy, BIMTT, CAFF Fianarantsoa, Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY; CPM: Coalition paysanne de Madagascar; CRAAD-OI; FAFITSIRO; FARM Madagascar; FI.MPA.MI.HI.: Fikambanan’ny mpamboly miray hina ao Mampikony sy Port Bergé; FIFATA: Fikambanana fampivoarana tantsaha; FIFATAM; FIVOI Menabe: Fiharoan’ny Vondron’Olona Ifotony eto Menabe; FTMF; FVTM: Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara; GTZ: Gny to tsy Mba Zainy; Hetsika Rohy; MSIS; Tatao; NY TANINTSIKA; Observatoara momban’ny tanora; ONG FIANTSO Madagascar; ONG ILONTSERA; ONG Malagasy Youth Education; ONG ODIMA; ONG Ravintsara; ONG TSINJO AINA MAHAJANGA; OSCAR; PSBED; RESEAU SOA (Syndicat des Organisations Agricoles); SAF-FJKM; SEKRIMA: SENDIKA KRISTIANINA MALAGASY; SIF: Sehatra iombonana hoan’ny Fananantany; TAMAMPIRAPI; TI-MG: Transparency International – Initiative Madagascar; TNMF: Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra Fifidianana; TVMA.