Mila mahatsapa sy mamaha ny geja mamatotra azy ny firenena

Sôh’son

Miseho hatrany ny toe-javatra ahitana olana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Ity fitondrana ity dia efa nambara ela izay, fa tsy ho afak’olana. Ny antony, tsy avy amin’ny mpanohitra izay anilihany hatrany ny rihitra, fa avy aminy ihany. Ary tsy mandeha ho azy amin’izao sy hampilamina ny zavatra azo amin’ny fomba tsy mazava, mba tsy ilazana hoe tsy fahamarinana. Niaraha-nahita tsara ny zava-nitranga tamin’ny fomba fihetsik’izy ireo taloha sy nandritry ny fampielezankevitra ary tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2018.

Maro izay olana niainan’ny vahoaka Malagasy izay tao anatin’ny telo taona izao. Miseho amin’ny endrika isan-karazany izany ary ny ankamaroany dia tsy mbola fahita hatramin’izay, na ny fomba fiteny hoe naha tany ny tany. Ny mahavaka ny saina, dia tsy mbola hita soritra akory, ary tsy ao anaty taona vitsy hoavy no hisindan’izany maharary ny vahoaka sy ny firenena izany. Iaraha-mahita sy miaina tsara mantsy ny zava-misy amin’ny fomba fitondrana ny firenena ankehitriny, sy ny ketriketrika politika mandroadroatra amin’ny lafiny samihafa. “Mbola ho ela”, hoy ilay mifatotra; ary “lavitry ny afo ny kitay”. Izany fomba fiteny izany no azo ilazana tsara ny zava-misy sy ny amin’ny fibanjinana ny hoavin’ity firenena ity hatreto.

Misy mahazo tombontsoa amin’izao toerana misy ny firenena izao. Ny firenena izay miaina ao anaty fahantrana lalina, noho ny fampahantrana natao azy, tamin’ny alalan’ny fihetsika nataon’ireo olom-bitsy ato anatiny sy any ivelany. Tsy tokony ho adinoina ihany koa, fa mbola mahomby tsara amin’izao fotoana izao ny politikam-panjanahana nataon’ny fitondrana frantsay, izay nikororohany sy nanasamatsamahany ny fototra feno fahendrena lalina niorenan’ity firenena ity. Mbola mitoetra izany mandraka ankehitriny na dia takonana amin’ny fihatsarambelatsihy aza izany. Izany sy ny zava-misy ankehitriny, no mifamatotra manindry sy mamatotra ny firenena sy ny vahoaka ary mety amin’ireo sokajin’olona mambotry sy fositry ny firenena ireo.

Tsy ho afa-miala amin’izany geja manakenda sy mamono azy izany ve ny firenena mandrapahoviana? Tsia, azo atao ny miala amin’izany raha misy finiavan’ireo olom-pirenena mbola afa-miaina kely sy afa-mihetsika. Mila faharetana izany ary mila saina tsy voasasa sy nandairan’ny “viriosin’ny filôzôfia” voizin”ireo sokajin’olona samihafa manerantany, mikendry ny hitantana mandrakariva sy ho lohany eto amin’ny firenena sy eto amin’izao tontolo izao, handritry ny taonjato maro. Mila mahatily sy miàla amin’izany ny firenena Malagasy, raha te hiàla amin’izao toerana misy azy izao sy tiana hisandratra marina tokoa.