8 Marsa andron’ny vehivavy – Zavadehibe ny fifamenoana eo amin’ny lahy sy ny vavy

Fanapahankevitrin’ny Firenena Mikambana ny nampisy ny 8 Marsa andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy, Madagasikara toy ireo firenena rehetra manerantany dia mankatoa io vaninandro io, ary mankalaza tsy tapaka ny 8 Marsa, ireo mpitondra nifandimby dia samy nanaiky ny mahaandro tsy fiasana io andro io ho an’ny vehivavy.

MANANA NY LANJANY NY VEHIVAVY AO ANTOKANTRANO

Ny renimpianakaviana no mifoha voalohany ao antokantrano ary izy no matory farany,ny renimpianakaviana no maharaka amin’ny antsipiriany ny fiainan’ny ankohonany ,ny ditraditra kelin’ny ankizy,ny fahasalaman’ny zanaka, ireo adidy madinidinika tsy maintsy atrehina eny amin’ny fiarahamonina sns.

Tsy matanjaka toy ny lehilahy ny reny, saingy faran’izay maharipery satria na ny mitondra vohoka sy miteraka aza dia tsy ho vitan’ny lehilahy mihitsy, maro aza ireo lehilahy no mandositra rehefa hiteraka ny vadiny, hatramin’ny ranomasonjaza dia mbola ny reny no mahatanty izany.

NY RENY NO MAHAFIRENENA NY FIRENENA

Reny no fototeny niavian’ny teny hoe “Firenena”, midika izany fa manana ny anjara toerany ny vehivavy eto amin’ny firenena, satria izy ireo no kitro ifaharan’ny fanabeazana ny zaza, eo amin’ny fiainampirenena dia voaporofo izany fa rehefa mandia fotoantsarotra ny firenena dia hita taratra izany any amin’ny fahasahiranan’ny vehivavy mitady izay atokona ao ambilany, voamarika ihany koa fa rehefa ny vehivavy no miraikiraiky amin’ny vahiny, dia ilay firenena mihitsy no anjakan’ny vahiny.

8 MARSA FANKALAZANA ISANTAONA

Misy isantaona ny fankalazana ny 8 Marsa, miseho amin’ny en-driny maro izany, toy ny fisian’ny fandaharana maro amin’ny haino amanjery sy lahatsoratra amin’ny gazety, mikasika ny vehivavy, ankoatr’izay dia fahita koa ny fihetsiketsehena toy ny filaharambe, kabary, fotoampivavahana, loabary andasy, samy mifantoka amin’ny anjara toerana sy zo ary andraikitrin’ny vehivavy avokoa ireo, ny fomba fanao efa mahazatra dia izay vehivavy manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena na ny vadin’ny tompon’andraikitra ambony no atao mpitarika ny hetsika sy omena fitenenana.

Samy manana ny lanjany sy ny toerany na ny lahy na ny vavy, tsikaritra fa nahazo vahana tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ny teny hoe “Miralenta”, raha ny heviny arabakiteny dia fitoviana lenta eo amin’ny lahy sy ny vavy, kanefa dia aleo tsorina fa samy manana ny mahaizy azy ny roa tonta,tsy izay rehetra vitan’ ny lehilahy dia ho efan’ny vehivavy avokoa, toy izany tsy misy hafa koa ny vehivavy izay manana ny mampiavaka azy manokana izay, tsy hampisongadina ny lehilahy velively.

Mifameno tanteraka ny lahy sy ny vavy ary efa lamina voajanahary ny fifanampiana eo amin’ny roa tonta, fa raha tontosa izay fiarahamiasa izay any amin’ny isantokantrano, dia hilamina sy handroso ny firenena.