Clemence Raharinirina sy Lily Rafaralahy – Be ny zavatra tsy mazavazava ataon’i Vazahabe sy ny CUA

Helisoa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo (CUA), Clemence Raharinirina sy Lily Rafaralahy, anisan’ny nambaran’izy ireo tamin’izany fa be ny tsy mazavazava ataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ny ekipany amin’ny fitantanana ny Renivohitra.

Tao anatin’izany no namotsipotsiran’ireto farany mikasika ny raharaha findramambola tao amin’ny CNAPS, ny resaka SMGD na Societe Municipale de Gestion Digitale. Raha mijery ny ampamoaka momba ny raharaha CNAPS isika hoy Clemence Raharinirina dia hita tao ny fanamarihana manao hoe ampindrana ny CUA 11 milliara ariary ity orinasa mpandoa fisotrondranonon’ireo mpiasa tsy miankina amin’ny fanjakàna ity . Mipetraka ny fanontaniana hoe: ho tafaverina ve io vola io ? Nilaza ny ben’ny tanàna Vazahabe, fa efa nanome delegation de pouvoir azy ny mpanolotsaina ny amin’ny ahafahany mindrambola.

Dia aoka hazava hoy CLemence Raharinirina, fa ny fanomezam-pahefana nomena ny ben’ny Tanàna dia ny volana jolay 2020 dia fitrosana entina hamatsiana ireo fampiasam-bola na investissement voasoratra ao anaty teti-bola, fa tsy hoe afaka mindrambola rehefa te hindrana. Tsy misy hidiran’ny delegation de pouvoir ity resaka 11 miliara nindramina tamin’ny CNAPS ity.

Manaraka izany, nilaza ny ben’ny Tanàna Vazahabe, fa ho ampahafatarina ny mpanolotsaina ny Tanàna ny dingana amin’ny fividianana ny EASYPARK. Hamafisinay aminareo mpanao gazety anefa fa “rachat” no noresahana nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo, izay mba hany nahenoanay izany vaovao izany. Dia raha niteny izy fa nampahafantariny anay mpanolotsaina ny dingana narahiny tamin’ny fividianana sy fitrosàna ihany koa dia aoka ny ben’ny Tanàna hamoaka ny PV rehetra mikasika ny fivorianay nanomboka ny volana janoary 2020 raha marina ny filazàny, fa niteny mazava taminay mpanolotsaina izy, fa hitrosa vola ao amin’ny CNAPS hividianana ny EASYPARK, ka 11miliara ariary no hividianana azy.

Mikasika ny resaka SMGD indray na Societe Municipale de Gestion Digitale dia ampafantarinay aminareo mpanao gazety, fa afenina mafy aminay mpanolotsaina ny pitsopitsony mahakasika izany. Lazaina fa orin’asan’ny CUA io SMGD io, izay hanangona ny volan’ny mponin’Antananarivo mikasika ny PARKING sy ny fikirakiràna taratasy ao amin’ny CUA, kanefa tsy nangalàna fankatoavana teo amin’ny mpanolotsaina ny fametrahana izany.  Tsy nampahafantarina ny mpanolotsaina ny Tanàna hoe karazana orin’asa inona sy manao inona izy io? ohatrinona ny vola mampihodina azy? iza no actionnaires izay nolazaina fa miisa 3, ka tale ao amin’ny CUA ny iray. Fantatra araka ny nambaran’i Clemence Raharinirina, fa valiteny boribory no valiteny azon’izy ireo.

Nanamafy ny mpanolotsaina ny Tanàna Lily Rafaralahy raha nandray fitenenana izy, fa raha nividianana ny Easy park ny trosa natao tao amin’ny CNAPS dia maninona no mbola misy foana io orin’asa io hatramin’izao? Ary maninona no tsy mbola avoaka ny bordereau de versement manamarina fa tena nisy izany fampivarotana izany. Ny fanontaniana apetrakay ankehitriny hoy izy dia tena nividianana ny EASYPARK ve io vola notrosaina 11 miliara ariary tao amin’ny CNAPS io?

Tianay no manamarika etoana hoy ity mpanolotsaina ny Tanàna ity: FANAFOANANA ny EASYPARK no fampanantenana tamin’ny mponin’Antananarivo tamin’ny fampielezan-kevitra, fa tsy fividianana ny Easy park. Koa raha notapahina ny fifanarahana tamin’io orin’asa io dia tokony miverina amin’ny CUA ny fitantanana ny PARKING eto fa tsy mbola nomena orin’asa indray, izay lazaina fa orin’asan’ny CUA, nefa mbola ifampizaràna ny vola miditra rehetra.