Sôh’son
Efa lasa lavitra ny fahasahiana amin’ny herisetra sy hetraketraka mitranga eto amin’ny firenena ary mampanahy fatratra. Eo ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy sy dahalo, izay tsy voafehy efa aman-taonany, na dia nirehaka hahavaha ny olana amin’izany aza ny mpitondra ankehitriny tamin’izy vao hiakatra eo amin’ny fitondrana ny taona 2019 tamin’ny fampisehoana ireo fitaovana ara-miaramila maro isan-karazany teny Mahamasina. Iaraha-mahita ny zava-misy iainan ‘ny vahoaka manerana ny Nosy, na an-drenivohitra na ambanivohitra, eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana.
Ny manahirana ny olom-pirenena maro, lasa tsy misy lanjany ny aina. Ny aina izay nomen’ny Malagasy lanjany tanteraka fahiny ary mitoetra ao anaty fikolokoloana ny soatoaviny. Hita ho tsy misy ezaka amin’ny fanarenana sy famerenana fanomezan-kasina izany ny fitondrana ankehitriny, raha ny zavatra re tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao sy haino aman-jery samihafa tamin’iny herinandro lasa iny. Tranga iray nambara tamin’izany ny momba ilay mpanefoefo nofonjaina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, izay mbola tsy vita fitsarana hatramin’izao. Ny tena nanaitra ny maro sy nisarika ny saina, dia ny filazan’ny mpisolovava azy, ny amin’ny fikasana hamono ity olona ity mihitsy raha ny zava-misy iainany eny amin’ny fonja ankehitriny. Lasa ny saina mandre izay filazany izay, hoe tena efa tonga amin’izany tokoa ve ny iainana eto amin’ity firenena ity ankehitriny. Sarotra inoana izany ho an’ny olom-pirenena sarotiny amin’ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy.
Raha nilaza i Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena nanoloana ireo vahoaka mpanohana azy ny taona 2019, fa tsy ekena intsony ny isiana malagasy mandatsaka rà malagasy, dia nahabe fanantenana izany. Nandeha anefa ny andro sy ny volana, toa mitranga ny toe-javatra mifanohitra amin’ny nambarany, ilay tsy ekeny. Maneho izany, ny fisiana rà latsaka sy namoy aina tamin’ny mpianatra nanao hetsika tany amin’ny Oniversitén’i Toamasina, sy tany Toliara. Santionany ihany ireo. Ny fanadihadiana momba izany tsy re intsony ny fitohizany sy ny niafaràny. Dosié mitovy amin’ny rehetra tsy fanta-piafaràna intsony ve ny amin’ireny? Hatraiza ny fanomezan-danja ny ain’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoana izao? Mila maneho môdely tsara mibaribary tanteraka ny amin’ny fiahiana sy fanomezan-kasina ny aina izay ny fitondrana raha tiana hotafarina ny soatoavina sy ny maha malagasy ny malagasy mandàla ny firaisankina sy fihavanana. Mitaky ny fitaizana sy fanabeazana be dia be eo anivom-piarahamonina miainga any amin’ny fitondrana ary mipàka amin’ny vahoaka ifotony izany. Raha tsy vita izany, hiroso hatrany hankany amin’ny lalina fikorosofahan’ny firenena no hitranga, ary tsy hisy ny fahavanonan’ny firenena.