FFKM – Mangataka ho afaka hanara-maso fifidianana

Isambilo

Ho fisorohana ny olana mety hitranga amin’ny fifidianana rehetra ho avy eto amin’ny firenena, mangataka amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, ho afaka hanangana fikambanana hanara-maso ny fifidianana eto amintsika. Mangataka ny FFKM mba ho afaka hanangana fikambanana manara-maso fifidianana toy ny KMF/CNOE, ny Safidy,…

Manoloana ny fiahiahiana halabato toa izay efa niseho hatram’izay, dia mangataka ny FFKM mba hisoroka izay mety ho olana goavana hitranga eto amin’ny Firenena. Ao anatin’ny adidy sy andraikitry ny Fiangonana mihintsy, ny misoroka ny loza mety hitranga vokatry ny hala-bato, hoy ny fanambarana.

Manana rafitra hatrany amin’ny Fokontany ny FFKM, ary koa tena manana olona hanao izany. Io FANARAHA-MASO ny fifidianana kasainy hatao io dia aloha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.