Andry Tsiavalona
Tsy misy zavatra azo andrasana ankoatry ny fipoahan’ny sarom-bilany sisa eto Madagasikara, amin’izao telo taona sy telo volana nitondran-dRajoelina Andry izao. Tsapa tokoa amin’ny toe-draharaha iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao, fa milentika ao anatin’ny honahonam-pahantrana sy olana ara-tsosialy mavaivay ny rehetra. Tsy noho ny loza voajanahary nandalo sy mandalo izany toe-javatra izany, fa ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitrandraka ny fototry ny olana rehetra, ka hitadiavana vahaolana mahomby sy matotra isaky ny fototry ny olana voatily. Tsy ilaina ny miresaka ny toe-javatra ara-toekarena, satria izany no fototra iray niteraka ny toe-javatara misy sy iainana amin’izao fotoana izao.
Olana lehibe koa ny olana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny ankapobeny, sy ny tsy fananan’asa ary ny ady tany. Mibaribary tsy takona hafenina ny olana misy eo amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Any amin’ny ambaratonga fototra dia saika trano na tsy misy rindrina, na tsy misy tafo, na tsy misy dabilio no misy. Ny mpianatra eny amin’ny tanàn-dehibe sasany dia mba nomena aron’akanjo misy lokom-boasary sy fitaovam-pianarana, saingy ireo any ambany ravinkazo kosa dia nohadinoina tanteraka kanefa ny any no tena sahirana ny ray aman-dreny ary mila fanampiana eo amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny ankapobeny dia saika tsy misy mpampianatra ary raha misy dia mampianatra Fram, ka ambany dia ambany ny fari-pahaizan’ny ankizy. Misy koa ny mandeha an-tongotra kilometatra maro vao misy sekoly, ka tsy vitsy no miala an-daharana noho ireo antony ireo. Eo amin’ny ambaratonga faharoa kosa dia saika eny an-tanàn-dehibe no misy trano sekoly ary misy ihany ny mpampianatra kanefa tsy manana faharisihana (motivation), satria izy ireny dia anisan’ny saranga sahirana, ka na ny fanomanana ny taranja ampianarina aza tsy tomombana. Tsy mahagaga koa raha ambany ihany ny fari-pahaizan’ny mpianatra satria misy fiantraikany eo aminy ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.
Na inona na inona fomba fijery ety ivelany eo amin’ny hamaroan’ny sekoly tsy miankina izay toa manambara, fa manam-bola ny ray aman-dreny dia samy sahirana na ireto farany na ny mpampianatra, na ny mpitantana ny sekoly, izay tsy misitraka ny zo nomena azy tany aloha. Eo koa ireo mpamolavola ny laza adina sy mpitsara fanadinana tsy nandray ny tambin-karamany, efa hatramin’ny telo taona lasa teo amin’izany asa notanterahany izany. Ny eny amin’ny ambaratonga ambony dia tsy misy tsy mitokona na ny mpianatra noho ny vatsim-pianarana efa amam-bolana maro tsy voaray, na ny mpandraharaha izay manana trosa amin’ny ministera ihany koa, na ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, izay tsy omena ny vola tambin’ny ora fanampiny (heures complémentaires). Vao andro vitsy lasa anefa dia nitokana Oniversite manara-penitra tany Fenoarivo Atsinanana ny filohan’ny Repoblika, nefa ny olana eny amin’ireo efa mitsangana tsy voavaha. Manoloana izao fahasahiranana iainan’ny rehetra izao dia anisan’ny tondro hampiakatra tsikelikely ny maripàna hampangotraka ny rano hitosaka any amin’ny tomponandarikitra eo anivon’ity sehatra ity. Tsy vitsy koa ny mpianatra nivoaka avy eny amin’ny ambaratonga ambony, na avy amin’ireo Oniversite tsy miankina, avy amin’ny Oniversitem-bahoaka, kanefa tsy mahita asa, ka manatevin-daharana ireo tanora efa voaroaka tamin’ny asany noho ny fikatonan’ny orinasa niasany. Tsy manana politika mazava amin’ny famoronana asa, na fananganana orinasa sy ozinina hanome asa ny tanora sy hampisondrotra ny harin-karena anefa ny fitondrana fa ny fampanantenana sy ny fanorenana fotodrafitrasa tsy miteraka na inona na inona ho an’ny mpiray tanindrazana na ny Firenena.
Mahalasa saina tokoa ny ady tany tena mahazo laka saika manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny tena olana dia teratany vahiny no mibodo ny tanin’ny teratany Malagasy. Ary ny tena loza dia miaro ny vahiny ireo tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany (mpitandro ny filaminana), sy izay heverina fa fialofan’ny madinika (fitsarana). Amin’ny ankapobeny dia izao fitondrana izao mihitsy no manome vahana ireo vahiny, ka heverina fa mety mahazo tombony amin’izany fanaovana tsindry amin’ny mpiray tanindrazana izany. Tsy resy tsy akory ny olo-mangina, kodiaran-tsarety ny fiainana ka mbola ho avy ilay maraina hoy ny fahendrena Malagasy, ka ho an-tsain’ny mpitondra fa tsy ampoizina sy tsy hita maso ary tsy azo sainina ny fisian’ny singambolo handavo ny vositra.