Kaominina Ivato – Nanomboka asa fanamboaran-dalana omaly

Stefa

Nanomboka asa fanamboaran-dalana omaly, ny kaominina Ivato any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ireo lalana potika tamin’ny fotoam-pahavaratra teo amboarina amin’izany, tsy ny samba amin’ny arabe ihany, fa hatrany anelakelantrano, hoy ny fiadidiana ny tanàna sy ny ekipany, tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Misy ny fanambarana avy amin’izy ireo mahakasika an’izay:”ho antsika mponina eto Ivato, nanomboka omaly alina ny fanamboaran-dalana eto an-tampon-tanàna manontolo, ka ialana tsiny ny fanelingelenana aterak’izany. Ho an’ireo mpitondra fiarakodia sy ny mpampiasa lalana rehetra dia ampahafantarina io fanamboarana io, hahafahana miomana amin’ny mety ho fanelingelenana. Ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa dia tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fikatsahana hatrany ny mahasoana ny vahoaka sy ny tanàna. Na an-tampon-tanàna, na elakelantrano dia mahazo ny asa fanamboarana avokoa, hanatrarana hatrany ny tarigetra, IVATO MAMIRAPIRATRA”.