Kaominina Toamasina – Manana olana mpiasa mandray karama any amin’ny banky

Niaina

Manana olana ireo mpiasa mandray karama any amin’ny banky amin’izao fotoana, ho an’ireo mpiasan’ny kaominina, miasa ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Toamasina. Mbola tsy azo hatramin’izao ny karaman’izy ireo izay halefa any amin’ny banky.

Noho izay antony izay, misy ny fanambarana nataon’izy ireo: “izahay Vondron’ny mpiasa ato amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toamasina dia miantso ny Ben’ny tanàna, mba hanery ny Talen’ny Vola (DAF), Andriamatoa RANDRIAMIANDRISOA Albert François, sy ny Tale misahana ny mahaolona (DRH), Andriamatoa CHRISTIAN Dosy, hamory mpiasa momba ny reasaka virement, ka hitondra fanazavana mahakasika ny :
– antony tsy mety ivoahan’ny Karama virement bancaire hatramin’izao?
– hanome ny daty marim-pototra hivoahany.
– ny fepetra noraisin’izy ireo, mba tsy ho lasan’ny banky ny karama jiaby ho viré any.

Izao no atao, mba hialana amin’ny honohono, ka hiteraka tabataba sy ny hoe « NY KARY NO MANAO NY ATAONY, KA NY SAKA NO VOATAPA-DRAMBO »”.