Ministeran’ny angôvo sy ny akoranafo – Nametra-pialana ny vadin’i Lalatiana

Stefa

Nanambara omaly ny vadin’ny ministra Lalatiana, i Andry Andriantongarivo, fa nametra-pialana tsy ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny angôvo sy ny akoranafo intsony ny tenany, tao amin’ny kaonty facebook-ny. Toy izany fanambarana nataony izany: “Araka ny fifampiresahana nataoko nandritra ny fihaonako tamin’ Andriamatoa Filohampirenena herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nizara taminy aho ny faniriako hiala amin’ny andraikitra maha Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny angôvo sy ny akoranafo, izay nosahaniko nanomboka ny volana febroary 2020. Koa ankehitriny dia ateriko etoana ny fisaorana azy, nametraka ny fahatokisana tamiko, nandritra izay roa taona izay”.

Mety efa fantany fa tsy maintsy hoesorina izy tamin’ny filan-kevitry ny ministra omaly, dia ny azy koa no nataony tonga aloha, toy ny nataon’ny ministra Hajo ihany tamin’ny fialany tao amin’ny governemanta.