Mpitatitra taksi – Vazahabe miala ihany no vahaolana

Niaina

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben-toerany eny Ankazomanga ny alakamisy teo, ireo mpitatitra fiara karetsaka, na taksi, mivondrona ao amin’ny FTAR, Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra. Ny fialan’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina ihany hoy izy ireo, no vahaolana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, izay mivaralila sy tsy mandeha amin’ny laoniny ankehitriny. Noho izay antony izay, nanome 48 ora ny fanjakana izy ireo, izay tapitra androany, mba hanalana ny ben’ny tanàna Vazahabe, fa raha tsy izany dia hiara-hirohotra eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely izy ireo anio, hitaky izay fanalana ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izay. Voalaza fa hiara-hihetsika amin’ny mpitondra taksi anio ny mponina Antananarivo Ranivohitra, ny olom-pirenena, ny sendika mandoa latsakemboka ao amin’ny Cnaps, ny mpiasan’ny SMA izay be kokoa ny karamany teo aloha miohatra amin’ny ankehitriny. Hanotrona azy ireo koa ny solontena avy amin’ny MAMIFI Malagasy Mila Filaminana, ny solontena avy amin’ny RMDM TANA sy Jeunes RMDM. Manohana izao hetsika izao koa ny Diaspora any ivelany.

Tsy vitan’i Vazahabe intsony ny asany hoy ireo mpanao taksi, anisan’izany ny fako tsy voaroaka, ny làlana potika tsy vita, ny embouteillage, na ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy afaka. Ny mpivarotra tsy nahitana vahaolana, ny hetran-trano midangana, ny fitadiavana vola tafahoatra amin’ny mponina Antananarivo.

Ankoatr’izay, antony tokony hanesorana koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny fanodinkodinana ny volan’ny zokiolona sy ny mpiasa malagasy tao amin’ny CNAPS. Koa takianay ny famerenany manontolo ny vola nalainy hoy ny fanambarana. Tsy ekena koa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volan ‘ny CUA ataony: izy sy ny mpiara-miasa aminy. Toheriny ny fanitsakitsahana ny lalàna, ka anaovan’ny Ben’ny tanàna didy jadona.
Raha tsy tanteraka ireo, hiara-hientana hitaky ny fanesorana azy eny Analakely izy ireo anio Sabotsy 9 aprily, amin’ny 10 ora maraina.