Fitantanana tsy mahombin’i Vazahabe – Tsy hipetra-potsiny ny mpanolotsaina TIM fa hitory

Stefa

Nanao fanambarana, nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo mpanolotsainan’ny tanàna, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany, fa tsy misy mangaraharaha ny fitantanan’ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina. Natao tompon-trano mihono tamin’ny dingana fananganana ny SMGD sy SMA izahay hoy ireto mpanolotsaina ireto.

Tsy misy ny mangarahara mahakasika ireo orinasan’ny Commune ireo, hoy ihany izy ireo. Tsy nisy ny «appel à manifestation d’intérêt», fa tonga dia «marché de gré à gré» no nananganana ireny. Marihana fa ireo olona akaiky ny Ben’ny tanàna avokoa no mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana. Fanitsakitsahana ny zo sy fahefan’ny filankevitra izany, ka dia lavinay marindrano. Tsy vahaolana velively ny fanilihana sy fanatsikafonana ny teo aloha, isaky ny misy zavatra hita fa tsy mety hitanay ataon’ny fitantanana izay tarihan’ny Ben’ny tanàna ankehitriny, hoy hatrany ireto olom-boafidy TIM ireto.

Ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, no ahitana tsiny amin’ny fitantanana amin’izao fotoana izao, ary fanazavana mahakasika izany no takiana sy ilain’ny mponin’Antananarivo fa tsy resa-jaza akory izy ity. Izahay mpanolotsaina avy amin’ny antoko TIM, hoy ihany ny fanambarana dia tsy hipetraka fotsiny amin’izao, fa hitory amin’ireo rafitra samy hafa mahakasika izany. Mangataka ireo rafitra rehetra manana fahefana amin’ izany izy ireo, hijery akaiky ny mahakasika ny fananganana ireo orinasa ireo, indrindra fa ny findramam-bola 11 miliara ariary natao teo anivon’ny Cnaps. Tsy mandeha amin’izay laoniny ny fitantanana ny tanàna, izay tarihan’i Naina Vazahabe amin’izao fotoana izao. Hijoro izahay ary efa miroso ny dingana eny anivon’ny ambaratongan-drafitra rehetra, hijery akaiky izao raharaha rehetra izao.

Anjara asan’ny mpanolotsainan’ny tanàna ny mijery sy manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka, ka tsy tokony hatahotra ny fanakianana atao aminy ny Ben’ny tanàna, raha tena mitsinjo ny tombontsoan’ny mponin’Antananarivo marina izy, indrindra koa raha tena mangarahara ny fitantanany.